Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Jolay 2018
Sahia mitory ny fahamarinana
Zefania 2:1-3
1 [Anatra ho fampibebahana ny olona, dieny mbola tsy mihatra ny loza]Miangona, eny, mivoria ianareo Ry firenena tsy manan-kenatra*, [*Na: tsy manina] 2 Dieny tsy mbola mihatra ny didy (Mihelina toy ny akofa ny andro!), Dieny tsy mbola tonga aminareo ny fahatezerana mafin'i Jehovah, Eny, dieny tsy mbola tonga aminareo ny andro firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah. 3 Mitadiava an'i Jehovah, ianareo mpandefitra rehetra amin'ny tany, Izay efa nanaraka ny fitsipiny: Tadiavo ny fahamarinana, Tadiavo ny fandeferana; Angamba ho voafina ianareo amin'ny andro fahatezeran'i Jehovah.Sahia mitory ny fahamarinana
Zefania 2:1-3
1-Marina ny Tompo ka manangona antsika.
Ao anivon’ny fiangonana no ahitana ny Tompo mamonjy ny olony. Hoy i Jesoa : “Na aiza na aiza no iangonan’ny roa na telo amin’ny Anarako, dia ao afovoany Aho” (Mat. 18:20). Ny antso nampitondraina an’i Zefania dia famerenana ny fivorian’ny fiangonana mba hanatona ny Tompo amin’ny fibebahana, hiverina hanompo Azy ka hiala amin’ny fanompoan-tsampy. Fivoriana masina no hatao mba hankasitrahan’ny Tompo ny mpanompony ary tsy hihatra ny fahatezeran’Andriamanitra ao amin’izay nanaiky handray ny famonjena ao amin’i Jesoa Kristy.
2-Marina ny Tompo ka maniraka mpaminany.
Ireo nampitondrain’Andriamanitra ny teniny sy ny hafany no antsoina hoe : “mpaminany”. Zefania dia nirahina hilaza ny fahamarinan’Andriamanitra ka tokony hanaraka Azy Tompo ny olony. Marina sy mandefitra i Jesoa ary mitady olo-marina sady tia fandeferana toa Azy, ho vavolombelony eto amin’izao tontolo izao. Anisan’izany ny fiangonana izay tenany izany “izay efa nanaraka ny fitsipiny”. Aoka ho tia ny marina isika mpanompon’Andriamanitra rehetra mba hamirapiratra ny Voninahiny eo amin’ny hataontsika.
Fanontaniana :Inona no marina ijoroantsika fiangonana ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM