Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 16 Jolay 2018
Sahia mitory ny fahamarinana
2 Korintiana 5.16-21
16 Koa dia tsy mahalala olona intsony araka ny nofo isika; eny, na dia nahafantatra an'i Kristy araka ny nofo aza isika, ankehitriny dia tsy fantatsika araka izany intsony Izy. 17 Koa raha misy olona ao amin'i Kristy, dia olom-baovao izy; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 18 Fa izany rehetra izany dia avy amin'Andriamanitra, Izay nampihavana antsika taminy amin'ny alalan'i Kristy sady nanome anay ny fanompoana fampihavanana, 19 dia izao : Andriamanitra ao amin'i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy ka tsy nanisa ny fahadisoany; ary efa napetrany aminay ny teny fampihavanana. 20 Koa dia iraka* solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavàna amin'Andriamanitra anie ianareo.[*Gr. ambasadôra] 21 Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy kosa isika.Sahia mitory ny fahamarinana
2 Korintiana 5.16-21
Ny kristiana dia mpanara-dia an’i Jesoa Kristy. Izay làlana nosoritan’ny Tompo no alehany.Manaraka ny teniny sy ny atorony ireo. Manana ny teniny sy ny atorony ireo. Manana anaram-baovao ireo eto.
1-Olom-baovao noho ny fahamarinan’i Kristy
Jesoa Kristy no nampihavana antsika tamin’ Andriamanitra sady nahatanteraka fampihavanana antsika samy olombelona tamin’ny nanolorany ny tenany teo amin’ny hazo fijaliana. Miantso sy maniraka antsika Izy mba hitondrantsika ny teny fampihavanana. »Raha misy olona ao amin’i Kristy dia olom-baovao izy » (17).Tsy maintsy mitory ny fahamarinana isika, dia ny Tenin’ Andriamanitra izay mitondra fanovana ny fiainantsika. Manavao sy miteraka antsika ho olom-baovao ny teny fampihavanana.
2-Fahamarinan’ Andriamanitra ao Aminy
Ny fitiavan’ Andriamanitra no fototra namonjena antsika tamin’ny fangejan’ny fahotana sy ny faharatsiana. Ny tenan’i Jesoa Kristy tsy nanota no natolony hisolo ny tenantsika vesaran’ny ota. Nesoriny sy nentiny ny otantsika mba hovonoina teo amin’ny hazo fijaliana . Izy no maty mba ho velona isika . Afaka sy nohamarininy isika rehefa nanaiky Azy ho Tompo sy Mpamonjy ary miverina ao Aminy indray mba hankato ny teniny sy hitandrina ny didiny .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM