Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Asan'ny Apostoly 5,1 - 11
1 [Ny amin'i Ananiasy sy Safira] Fa nisy kosa lehilahy atao hoe Ananiasy sy Safira vadiny nivarotra tany, 2 ka nanafenany ho azy ny vola vidiny, ary ny vavy koa nahalala izany; dia nentiny ny vola sasany vidiny ka napetrany teo anoloan'ny tongotry ny Apostoly. 3 Ary hoy Petera: Ry Ananiasy, nahoana Satana no nameno ny fonao handainga amin'ny Fanahy Masina ka hanafina ny vola sasany vidin'ny tany? 4 Fony tsy namidy, tsy anao ihany va izy? Ary rehefa namidy, tsy anao hanaovanao izay sitraponao koa va? Nahoana no nisaina izany tao am-ponao ianao? Tsy nandainga tamin'olona ianao, fa tamin'Andriamanitra. 5 Ary Ananiasy, nony nandre izany teny izany, dia nikarapoka, ka afaka ny ainy; dia raiki-tahotra loatra izay rehetra nandre izany. 6 Ary nitsangana ny zatovo, dia nofonosiny ny faty ka nentiny nivoaka, dia naleviny. 7 Fa rehefa afaka tokony ho ora telo, dia niditra koa ny vavy, nefa tsy fantany izay efa nanjo teo. 8 Ary hoy Petera taminy: Lazao amiko: Izany ihany va no vola vidin'ny taninareo? Dia hoy izy: Eny, izany ihany. 9 Ary hoy Petera taminy: Nahoana ianareo no niray tetika haka fanahy ny Fanahin'ny Tompo? Indro, eo am-baravarana ny tongotr'izay nandevina ny vadinao, ary hitondra anao hivoaka koa izy. 10 Dia nikarapoka teo anoloan'ny tongony niaraka tamin'izay koa izy, ka afaka ny ainy; ary raha niditra ny zatovo, dia hitany fa maty, ary nentiny nivoaka ka naleviny teo anilan'ny lahy. 11 Dia raiki-tahotra indrindra ny fiangonana rehetra sy izay rehetra nandre izany.

Sahia mitory ny fahamarinana

Asa 5.1-11

Andriamanitra marina

Miseho eto fa tsy ankasitrahan’ Andriamanitra ny lainga.Iharan’ny famaizana avy amin’ Andriamanitra izay rehetra mampiray ny fony hitoetra amin’ny lainga.

1-Mitaky fanolorantena marina 

Na dia efa anisan’ireo resy lahatra niombona tamin’ireo mpianatra aza izy mivady ireto dia tena mbola nanana fo feno faharatsiana ,feno fitiavantena .Mba te-hiaina amin’ny sitrapon’Andriamanitra saingy tamin’ny ampahany ihany.Tsy nanana fanolorantena marina teo anatrehan’ny Tompo izy ireo ka niray saina nandainga. Fahotana ny mandainga,fikomiana amin’ Andriamanitra ny firaisan-tsaina handainga. Ny Tompo dia efa niteny fa « ny devoly mpandainga sady rain’ny lainga« (Jao 8.44).Raha marina ny fanoloranao ho an’ Andriamanitra dia tsy mandainga intsony ianao.

2-Mitsara ny olona raka ny asany 

« Fahafatesana no tambin’ny ota »(Rom6.23). Tanteraka ara-bakiteny izany eto amin’ity tantara ity. Notsarain’Andriamanitra tamin’ny asa nataony izy mivady ireto. Rehefa nivarotra ny fananany izy ireo dia ninia nandainga , nanafina ny ampahany tamin’ny vola vidin’ny taniny. Niseho ho nanao asa tsara teo anatrehan’ny rehetra izy mivady satria nahafoy fananana, niroso tamin’ny fiombonana kanefa tao ambadika  dia nisy asa tsy marina. Fantratr’ Andriamanitra ny toetry ny fo entona miasa. Miharihary amin’ Andriamanitra ny toe-panahin’ny olona manao ny asany. Manaova ny marina.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM