Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Jaona 17.13-19
13 Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin'izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy. 14 Efa nomeko azy ny teninao; ary halan'izao tontolo izao izy, satria tsy naman*'izao tontolo izao, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 15 Izaho tsy mangataka aminao mba hampiala azy amin'izao tontolo izao, fa ny mba hiaro azy amin'ny ratsy*. [*Na: amin'ilay ratsy] 16 Tsy naman* izao tontolo izao izy, tahaka Ahy tsy naman*'izao tontolo izao. [*Gr. avy amin'] 17 Manamasina azy amin'ny fahamarinana; ny teninao no fahamarinana. 18 Tahaka ny nanirahanao Ahy ho amin'izao tontolo izao no mba nanirahako azy kosa ho amin'izao tontolo izao. 19 Ary ho an'ireto no anamasinako ny tenako, mba hanamasinan'ny fahamarinanao azy.

Sahia mitory ny fahamarinana

Jaona 17.13-19

Ny olona manana ny Tenin’ Andriamanitra 

1-Nandray fampianarana manokana 

Nanmpianatra ny olona rehetra nifanerasera taminy i Jesoa Kristy. Nahazo fampianarana manokana mihoatra noho ny rehetra anefa ny mpianatra nantsoiny sy nofidiany manokana. Tiany mba hiavaka amin’ny maro ny  mpianatra ka nanatombo ny fampianarana ho azy ireo. Tsarovy fa isika koa tian’ny Tompo hahalala marina ny làlam-pamonjeny ka mampianatra antsika mandrakariva Izy.

2-Arovan’ Andriamanitra

Manda ny fanao ratsy rehetra ny mpanara-dia an’i Jesoa Tompo  miaina sy  mivelona amin’ny Teniny . Mitazona ny fampianarany. Vokatra izany dia misy ny  mpankahala sy mpanenjika . Mangataka amin’ Andriamanitra Rainy anefa i Jesoa Kristy mba ho raisiny an-tànana ny fiarovana manoloana izany . Tsara antoka ny fiainan’ny olona miaina sy  mivelona amin’ny Tenin’ Andfriamanitra.

3-Manaiky hanao ny asan’ Andriamanitra 

Nampianatra sy namolavola ny mpianatra ho amin’ny fanohizana ny asa nanirahan’ Andriamanitra Azy i Jesoa Kristy. Anjara fanompoana miandry izay rehetra  manana ny Tenin’ Andriamanitra , nampianarina ka nandray ny teniny ny manaiky ho iraka hitory ny famojena amin’ny  mpiara-belona aminy . Meteza àry ianao ho iraky ny Tompo ho vavolombelony eo anivon’izao tontolo zao .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM