Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Jolay 2018
Sahia mitory ny fahamarinana
Salamo 85.8-13
8 Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo. 9 Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika. 10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.Sahia mitory ny fahamarinana
Salamo 85.8-13
Mpino miaina ny famindrampon’ Andriamanitra
Nahatsapa ny famindrampon’Andriamanitra ny mpanao Salamo, ka indro fa feno fiderana an’Andriamanitra noho ny nanafahana ny taranak’i Joda tany am-pahababoana.
1-Feno fahavononana amin’ny fankatoavana ny Tompo
Lazainy eto am-piandohana ny fahavononany hihaino ny Tompo (and. 8). Mariky ny fankatoavana ny Tompo izany ary koa fanehoana ny finoana ao anatiny fa hiteny aminy Andriamanitra ka hanolotra fiainam-piadanana ho an’izay mankato Azy. Mitaona ny mpiara-belona aminy araka izany ity mpanompon’Andriamanitra ity mba haharetan’ny Teny fampanantenana ataon’Andriamanitra eo amin’ny fiainany fa tsy tokony hiverina amin’ny fahadalana na tsy fankatoavana intsony izy ireo. Mila manavao ny fanolorantena an’Andriamanitra.
2-Vokatry ny fanakatoavana ny Tompo
Rehefa mirindra tsara ny fifandraisana amin’Andriamanitra sy ny olony. Miaina amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra ny olona dia hizotra tsara ny fiainany. Tafapaka eo amin’ny fiainan’ny olona ny famindrampon’Andriamanitra miseho ny fahamarinana ny Tompo. Miaina amin’ny fiainam-pitahiana ny olona satria manome ny tsara ny tany. Tsarovy fa rehefa miaina amin’ny fankatoavana an’Andriamanitra isika, miala amin’ny fanao ratsy rehetra dia tanterahiny amintsika ny fiainam-pitahiana. Miavaka tokoa ny fiainan’ny olona manana an’Andriamanitra sy ny tsy manana an’Andriamanitra.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM