Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Alarobia, faha 11 Jolay 2018
Sahia mitory ny fahamarinana
Romana 14.13-18
13 Koa aza mifampitsara intsony isika; fa aleo mihevitra* izao, dia ny tsy hanisy fandavoana na fanafintohinana eo anoloan'ny rahalahy. [* Gr. mitsara] 14 Mahalala sady matoky ao amin'i Jesosy Tompo aho fa tsy misy zavatra maloto ho azy; fa raha misy manao zavatra ho maloto, dia aminy ihany no maloto izany. 15 Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy. 16 Aoka ary tsy mba hotenenina ratsy* ny fahasoavana azonareo. [*Gr. hanaovana blasfemia; izahao Mat.9.3] 17 Fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy amin'ny fihinanana sy ny fisotroana, fa fahamarinana sy fiadanana ary fifaliana ao amin'ny Fanahy Masina. 18 Fa izay manompo an'i Kristy amin'izany zavatra izany no sitrak'Andriamanitra sy eken'ny olona fa tsara.Sahia mitory ny fahamarinana
Romana 14.13-18
Iaino ny maha- vahoakan’ Andriamanitra anao
1-Hanao izay tsy hahatafitohina ny hafa
Hifangaroan’ny karazan’olona maro samihafa ao anatin’ny fiangonana . Noho izany , tsy maintsy mifampihevitra hatrany.Na dia misy aza ny hanina heverinao ho mety aminao nefa tsy mety amin’ny hafa noho ny finoany an’i Jesoa Kristy. Lasa toy ny sakana tsy hahafahany mandroso dia tokony handinika fatratra ianao sao mahatonga fahatafitohinana ka miteraka fihemorana ho azy izany . Tokony hahay hijery ny hafa ary indrindra mba hifampitsinjo ny samy kristiana mba hahafahana mitoetra hatrany amin’ny finoana sy ny fanompoana ny Tompo .
2-Hanompo an’i Kristy amin’ny fiadanana
Tokony hataon’ny kristiana ho laharam-pahamehana ny firaisan-kina ka amin’ny fifamaliana sy fiadanana no hanatanterahan’ny tsirairay ny fanompoana eo amin’ Andriamanitra . Eto dia ambara fa tsy ny hanina na ny fisotroana no zava-dehibe ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra fa ny fahamarinana , fifaliana, fiadanana. Mila mifanohana, mifampahery ny mpino eo amin’ny fanatanterahana ny asa fanompoana niantsoan’ Andriamanitra azy, amin’ny fanarahana dia an’i Kristy mba hahita fifaliana sy fiadanana hatrany . Ny zava-dehibe indrindra araka izany dia tanteraho tsara amin’ny finoana sy ny fatokiana ny asa fanompoana apetraky ny Tompo aminao mba hahazoana fankasitrahana avy Aminy .
Fanontaniana:
Inona no tokony ataonao manoloana ireo kristiana milaza fa misy ny zavatra maloto ka tsy tokony hohanina?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM