Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Talata, faha 10 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Jeremia 9.22-23
22 [Ny amin'ny tsi-fahatokian-tena, sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay mitsara marina] Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny; 23 Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana et? ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.

Sahia mitory ny fahamarinana

Jeremia 9.22-23

Antson’ny  fahamarinana

1-Aza matoky  ny zava-misy eto an-tany 

Manao antso avo eto ny Tompo. Antso  mitaona ny olona tsy hiantehitra  amin’ny herin’ny maha-olona azy. Tsy azo  itokisana  ny  zavatra  ananana eo  amin’ny fiainana : ny fahendren’olombelona, ny hery, ny harena. Mora miova ny  olombelona. Ny fahendrena  tsy  miorina amin’Andriamanitra dia mamitaka. Eny, ny heriny  sy fananany dia tsy maharitra. Miovaova  ny zavatra rehetra  ka tsy  azo itokiana. Antsom-pitiavana no ataon’ny Tompo aminao. Aza mirehareha amin’ny zava-misy eo amin’ny fiainanao. Mazava ny voasoratra ao hoe: « voaozona izay olona matoky olona sy manao ny  nofo ho sandriny, ka miala  amin’i Jehovah ny fony » (Jer. 17.5)

2-Matokia an’ Andriamanitra 

Andriamanitra no tsy miova. Izy irery ihany no azo antoka eo amin’ny fiainana. Ny fahalalantsika an’Andriamanitra sy ny fanekentsika hifamatotra fiainana Aminy irery ihany no mahalavorary  ny fiainantsika. Raha Andriamanitra tokoa no itokiana eo  amin’ny fiainana dia misitraka ny famindrampony ny  mpino, ary na toa inona na toa inona toe-javatra  atrehina eo amin’ny fiainana dia marina Izy ka tsy mamela ny olona mino Azy ho irery. miantso  antsika araka izany  ny Tompo. Raha te-haneho ianao fa manana izay ho reharehanao sy itokianao dia ambarao ny manodidina anao fa Andriamanitra irery ihany  no manana ny famonjena azo  antoka ho anao, miasa ho  fiainanao.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM