Sahia mitory ny fahamarinana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 09 Jolay 2018
Sahia mitory ny fahamarinana
1Timoty 6.11-16
11 Fa ianao kosa, sy lehilahin'Andriamanitra, mandosira izany zavatra izany, ka miezaha mitady fahamarinana, toe-panahy araka an'Andriamanitra, finoana, fitiavana, faharetana, fahalemem-panahy. 12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazòny ny fiainana mandrakizay; fa ho amin'izany no niantsoana anao koa sy nanaovanao ilay fanekena tsara teo imason'ny vavolombelona maro. 13 Izaho mananatra anao eo anatrehan'Andriamanitra, Izay mamelona ny zavatra rehetra, ary eo anatrehan'i Kristy Jesosy, Izay nanao ilay fanekena tsara teo anatrehan'i Pontio Pilato, 14 mba hotehirizinao tsy hanan-tsiny amam-pondro hatramin'ny fisehoan'i Jesosy Kristy Tompontsika izany didy izany; 15 ny Andriana finaritra sady tokana, Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no haneho izany amin'ny fotoany; 16 Izy ihany no manana ny tsi-fahafatesana, mitoetra eo amin'ny mazava tsy azo hatonina, Izay tsy hitan'olona sady tsy hainy jerena; ho Azy anie ny voninahitra sy ny fanjakana mandrakizay. Amena.Sahia mitory ny fahamarinana
1Timoty 6.11-16
Mpino afaka hiaro ny finoana marina
1-Mitoetra amin’ny finoana an’i Jesoa Kristy
Miseho ireo karazana fampianaran-diso. Maro ny toe-javatra mitady hanozongozona ny finoana kristiana, ary eo koa ireo toe-javatra manosika ny olona hanao fitondrantena tsy araka an’Andriamanitra. Mitaona, mampirisika an’i Timoty noho izany i Paoly fa tokony hijoro tsara amin’ny finoana sy ny fiainana kristiana izy manoloana izany. Rehefa mikatsaka marina ny toe-panahy araka an’Andriamanitra ny mpino, miaro ny finoana, mitazona ny fiainana mandrakizay ao amin’i Jesoa Kristy dia tsy ho voarebirebin’ilay ratsy.
2-Mibanjina Ilay Jesoa Kristy Mpamonjy
Tsy maintsy mijoro ho vavolombelon’i Kristy ny mpino manoloana ny toe-javatra iainan’ny fiaraha-monina. Tsy mora izany, iatrehana ady mafy tokoa. Raha tiana anefa ny handresy dia tokony hibanjina an’i Jesoa hatrany. Mila mahatsiaro fa i Jesoa teo anatrehan’i Pilato dia naneho ny maha-Izy Azy (Mat. 27.11), nanana ny hery avy amin’ Andriamanitra, eny na dia tsy maintsy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana aza i Jesoa Kristy ka niharan’ny fahafatesana dia natsangan’ Andriamanitra ho mpandresy. Mpandresy toa Azy ny mpino manantena sy mametraka ny fiainana Aminy rehefa mandalo fitsapana samihafa.
Fanontaniana :