Sahia mitory ny fahamarinana

Mofonaina anio: Zoma, faha 06 Jolay 2018

Sahia mitory ny fahamarinana

Salamo 11.4-7
4 Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona. 5 Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny. 6 Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany. 7 Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany*.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany]

Sahia mitory ny fahamarinana

Salamo 11.4-7

Ny  mpanompon’ Andriamanitra  marina 

1-Andriamanitra  mahita  ny fiainany 

Manoloana ny  toe-javatra sarotra atrehana  eo  amin’ny fiainana dia mino  ny  mpanompon’ Andriamanitra fa misy Ilay Andriamanitra  azony  ialofana, anankinana ny fiainany, noho  izany  tsy handositra izy fa vonona hiatrika na dia ny hetraketraka  ataon’ny fahavalo  aza. Mametraka   ny fiainany  amin’ Andriamanitra  izy . Andriamanitra  no mijery, manara-maso akaiky ny  momba azy. Ny  olona tsy  manam-pinoana no mitady  làlan-kafa itadiavam-pamonjena rehefa sendra ny sarotra. Ny mino  an’ Andriamanitra kosa mivavaka Aminy .

2-Andriamanitra miaro ny mpanompony 

Tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny mandeha amin’ny làlan’ny faharatsiana. Ny ratsy fanahy izay  mitady ny fomba rehetra hanakorontanana  ny fiainan’ny olon’Andriamanitra. Noho izany, Andriamanitra dia miasa, miaro ny olony  ary ny ratsy fanahy  dia  haringany, holevoniny toy  ny nanandevonana an’i Sodoma sy Gomora . Manana tombotsoa manokana noho izanyny olon’ Andriamanitra  mandeha amin’ny fahamarinana . Voaaro amin’ny asan’ny ratsy  fanahy  sy ny loza. Voatahiry  ho amin’ny fiainana. Mijoro  hatrany  ho mpanompon’ Andriamanitra mahatoky  miaina amin’ny fahamarinana dia ho azo antoka ny ho avinao .

Fanontaniana: