Sahia mitory fahamarinana
Mofonaina anio: Alarobia, faha 04 Jolay 2018
Sahia mitory fahamarinana
1 Mpanjaka 21.1-4
1 [Ny namonoana an'i Nabota. sy ny nahazoan'i Ahaba ny tanim-boalobony ary ny loza voalaza Anjo an'i Ahaba] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, Nabota Jezirelita nanana tanim-boaloboka tao Jezirela, takaikin'ny lapan'i Ahaba, mpanjakan'i Samaria. 2 Ary Ahaba niteny tamin'i Nabota hoe: Omeo ahy ny tanim-boalobokao mba hataoko fambolena anana, fa akaikin'ny lapako izy; ary hotakalozako tanim-boaloboka tsara noho izy, na vola tokom-bidiny, raha izany no sitraky ny fonao. 3 Fa hoy Nabota tamin'i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan'i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako. 4 Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain'i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.Sahia mitory fahamarinana
1 Mpanjaka 21.1-4
Aza omena olon-kafa ny taninao
1-Nabota nanda ny fangatahan’ny mpanjaka
Nihevitra i Ahaba mpanjaka fa ho mora aminy amin’ny maha- mpanjaka azy ny haka ny tanin’i Nabota izay teo akaikin’ny lapany . Nambaran’ny mpanjaka fa vonona izy ny hanakalo izany amin’ny tanimboaloboka tsara kokoa, na hanome vola araka izay mety amin’i Nabota. Mazava anefa ny valin-teny nataon’i Nabota fa tsy omeny ny mpanjaka ny taniny na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana . Nanana fahasahiana i Nabota nandà ny fangatahan’i mpanjaka . Rehefa manana ny marina ianao dia tsy matahotra amin’ny valiteny omenao.
2-Nabota naneho fa manan-danja aminy ny lovany
Fanontaniana :