Sahia mitory fahamarinana
Mofonaina anio: Talata, faha 03 Jolay 2018
Sahia mitory fahamarinana
Marka 6.14-20
14 Ary nahare izany Heroda mpanjaka (fa efa nalaza ny anaran'i Jesosy), dia hoy izy: Jaona Mpanao-batisa efa nitsangana tamin'ny maty izay, ka izany no ananany hery hanao ireo asa lehibe ireo. 15 Fa hoy ny sasany: Elia Izy; ary hoy ny sasany: Mpaminany Izy dia toy ny anankiray amin'ny mpaminany. 16 Ary rehefa nahare izany Heroda, dia hoy izy: Jaona izay, ilay notapahiko ny lohany; efa nitsangana izy. 17 Fa Heroda ihany no naniraka sy nisambotra an'i Jaona ka namatotra azy tao an-tranomaizina noho ny amin'i Herodiasy vadin'i Filipo rahalahiny; fa nanambady azy izy. 18 Fa Jaona efa nilaza tamin'i Heroda hoe: Diso ianao, raha manambady ny vadin'ny rahalahinao. 19 Ary Herodiasy dia nanao otri-po taminy ka naniry hahafaty azy, nefa tsy nahazo. 20 Fa Heroda natahotra an'i Jaona, satria fantany fa lehilahy marina sy masina izy, ka dia niaro azy izy; ary rehefa nandre azy izy, dia very hevitra be ihany*; ary nihaino azy tamin'ny hafaliana izy.[*Na: nanao zavatra maro]Sahia mitory fahamarinana
Marka 6.14-20
Ny olona marina 
Tantaran’i Jaona mpanao Batisa no hitantsika eto. I Jaona , ilay sahy nilaza sy nanambara hatrany ny fahamarinana.
1-Misy mpanenjika
Tsy nisalasala i Jaona mpanao batisa nananatra an’i Heroda , fa diso izy raha manambady an’i Herodiasy vadin’ny rahalahiny . Tsy faly noho izany i Herodiasy ka nitady ny fomba rehetra hamonoana an’i Jaona mpanao batisa . Tanteraka tokoa izany faniriany izany. Tsarovy fa tsy mora ny maneho ny fahamarinana. Misy hatrany ny sokajin’olona manohitra ny marina , manenjika , eny mikendry mihitsy aza ny hahafaty. Tsy mahazaka ny fahamarinana ny olona maro. Matokia anefa , aza matahotra fa raha mijoro hatrany hilaza sy hanao ny marina isika dia Andriamanitra no homba sy hiaro antsika . Tsarovy fa ny marina tsy ho resy.
2-Atahoran’ny olona
Na dia teo aza ny fikasan’i Herodiasy hahafaty an’i Jaona mpanao batisa dia feno tahotra ihany i Heroda ka nitady ny fomba rehetra hiarovana azy . Ny asa rehetra nataon’i Jaona no nahatsapan’i Heroda fa olona marina sy masina izy . Natahotra an’i Jaona noho izany i Heroda . Noho izany tahotra izany no nahatonga an’i Heroda nihevitra fa i Jaona no nitsangana tamin’ny maty ka manao asa lehibe indray rehefa nandre ny amin’i Jesoa izy . Miseho amin’izany fa ny olona marina dia tsy maty ao am-pon’ny olona hatrany rehefa misy toe-javatra mitranga ao amin’ny fiaraha-monina . Mazotoa manao ny marina.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM