Sahia mitory fahamarinana
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 02 Jolay 2018
Sahia mitory fahamarinana
Ohabolana 14.31-35
31 Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy. 32 Ny ratsy fanahy azera* noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.[Na: roahina] 33 Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary. 34 Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona 35 Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao izay mahamenatra.Sahia mitory fahamarinana
Ohabolana 14.31-35
Ny fahasamihafan’ny olona 
1-Ny olona miaina amin’ny fahamarinana
Mitoetra ho mahatoky eo anatrehan’ Andriamanitra ny olona miaina ny fahamarinana. Fahamarinana izay aseho amin’ny fifandraisana amin’ny mpiara-belona aminy. Mahatsapa izy fa endrik’ Andriamanitra ny olona, noho izany manana adidy izy hanasoa ny mpiara-belona aminy .Tsy hampahory ny hafa ho fanomezany Voninahitra Ilay Andriamanitra inoany. Ny fahendreny no entiny manatanteraka ny asany . Fankasitrahana feno no sitrahany avy amin’Andriamanitra. Ho anao izay tia ny fahamarinana, miorena tsara fa misy ny valim-pitia voaoman’ Andriamanitra ho anao.
2-Ny olona tsy mandeha amin’ny fahamarinana
Ambara fa adala ny olona manao tsinotsinona ny mpiara-belona aminy . Olona ratsy fanahy , olona tsy mandeha amin’ny fahamarinana , olona tsy mahay manome voninahitra an’ Andriamanitra . Ny fifikirany amin’ny ota, fizorany hatrany amin’ny làlan’ny faharatsiana dia hitondra azy any amin’ny fiainam-pahaverezana . Mazava araka izany fa tena ratsy ny fiafaran’izay mandeha mifanohitra amin’ Ilay Andriamanitra marina . Raha toa ka nisy tsy fahamarinana ny làlana nizoranao , miantso anao ny Tompo. Miverena ao Aminy.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM