Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 29 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo

Romana 13.11-14
11 Ary tokony hanao izany indrindra isika, satria fantatsika ny andro, fa ankehitriny izao dia ora tokony hifohazanareo amin'ny fahatoriana; fa ankehitriny ny famonjena antsika dia akaiky noho ny tamin'ny andro vao ninoantsika. 12 Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan'ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian'ny mazava. 13 Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin'ny andro; tsy amin'ny filalaovan-dratsy, na amin'ny fahamamoana, tsy amin'ny fijangajangana, na amin'ny fijejojejoana, tsy amin'ny fifandirana, na amin'ny fialonana. 14 Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin'ny nofo hahatanteraka ny filany.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Romana 13.11-14

Miomana hanana anjara amin’ny famonjena

1-Misaraha amin’ny aizina sy ny alina 

Eo amin’ny and. 12 dia misy  izao : « Efa ho lasa ny alina …aoka hariantsika ny asan’ny maizina« . Ankehitriny dia hoharina indrindra amin’ny maizina na ny alina izay anjakan’ny ratsy toy ny filalaovan-dratsy, ny fahamamoana, ny fijangajangana… Izany sy ny hafa  tsy voatanisa fantatry ny maro dia mamatotra ny olona ka mahatonga azy hiaina ao anaty aizina. Ho an’izay mieritreritra hanana anjara amin’ny famonjena ao amin’i Kristy kosa anefa dia ireo izay mihevi-tena ho kristiana. Tadidio fa tsy enti-poana izany anarana izany fa tsy maintsy  manapa-kevitra  misaraka amin’ny maizina (jereo Jao 3.19).

2-Raiso  sy iaino ny mazava

And. 13, « aoka  isika  hitondra  tena tsara  toy ny amin’ny andro ». Ny  ambara  amin’izany dia ny fiainana izay  zava-misy rehetra ao amin’ny mazava. Ny  zavatra voalohany takiana amin’izany dia ny fananana sy fitafiana an’i Kristy, izany hoe: mampiditra an’i Kristy ao aminy, manao  ny asan’i Kristy, mandeha amin’ny làlan’i Kristy. Amin’ny teny hafa, miezaka manatanteraka izay voalaza ao  amin’ny Efes. 5.8-11. Mety  mandeha ho azy  ny fitenin’olona hoe: izaho efa mpandray ny Fanasan’ny Tompo, nefa aoka handini-tena tsara izy fa izao no lazain’i Paoly : « izay manao azy fa efa mijoro  tsara  dia aoka  izy hitandrina fandrao  ho lavo » (1Kor. 10.12)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM