Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin'ny Tompo 

Matio  6.9-15
9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao et? an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. 12 Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa] 13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena] 14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. 15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo 

Matio  6.9-15

Tokony  ho efa  ao  ambavan’ny  maro  ny lehibe sy ny  kely  , ny  vavaka  nampianarin’ny Tompo . Mety  mandeha amim-pahazarana fotsiny anefa  rehefa manonona  izany  , na dia ho an’ny mpandray  ny Fanasan’ny Tompo aza izay efa nampianarina manokana izany .Noho izany  dia tokony  ho ao an-tsaina ireto.

1-Ny ho an’Andriamanitra sy  ho an’ny  olona 

Misy fanehoana mpisolo tena « nao sy « nay » eto ka ny « nao  » dia maneho indrindra izay zavatra  rehetra  atolotry ny olona an’ Andriamanitra (ny fanjakanao, ny anaranao, ny sitraponao) ary ny « -nay » kosa  dia maneho  izay tadiavin’ny  olona amin’ Andriamanitra : hanina sahaza ho anay, mamelà ny helokay tahaka ny amelanay , manafaha anay. Misy zavatra ifanolorana izany eto fa tsy mahazo mianina  fotsiny amin’ny hoe:Andriamanitra dia mpanome sy mpanao zavatra ho an’ny olona hatrany, tsy maintsy misy fandraisan’ny olona anjara. Miomàna ianao manatanteraka izany .

2-Zava-dehibe ny fifamelana

Ambaran’ny fampianaran’i Jesoa  Kristy eto fa izay mamela heloka no avelan’ Andriamanitra  heloka ary izay tsy vonon-kamela heloka dia tsy  misitraka  izany . Tokony ho ao an-tsain’ny olona hatrany àry fa mpanota ny olona rehetra  (jereo Sal 14.3/ Rom3.10) . Koa  aza manantena ny havelan’ Andriamanitra  heloka fotsiny fa atombohy  amin’ny  olona samy olona izany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM