Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 19 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Matio 20:29-34
29 Ary raha niala tao Jeriko izy, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an'i Jesosy. 30 Ary, indreo, nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana, ary nony reny fa Jesosy no mandalo, dia niantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô! 31 Ary ny vahoaka niteny mafy azy mba hangina; fa vao mainka niantsoantso izy ka nanao hoe: Mamindrà fo aminay, ry Tompo, Zanak'i Davida ô! 32 Ary Jesosy nijanona, dia niantso azy ka nanao hoe: Inona no tianareo hataoko aminareo? 33 Hoy izy taminy: Tompoko ô, ny mba hampahiratina ny masonay. 34 Ary Jesosy dia onena azy ka nanendry ny masony; ary nahiratra niaraka tamin'izay izy, dia nanaraka an'i Jesosy.

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Matio 20:29-34

Izay mahafantatra an’i Jesoa Kristy dia :
1 – Mitady voniy Aminy

Eto amin’ny and. 20 dia voalaza hoe nisy vahoaka betsaka nanaraka an’i Jesoa Kristy. Inona no antony nanarahan’izy ireo Azy ? Tsy milaza na inona na inona ny amin’izany ny Soratra Masina manoloana antsika anio. Ny voalaza kosa dia izao : nisy jamba roa lahy teo amoron-dalana ka rehefa nandre fa nandalo i Jesoa Kristy dia niantsoantso nila vonjy Taminy izy roalahy ireo. Ireto jamba ireto izany dia mahatsiaro fa mila vonjy ary i Jesoa dia ninoany fa mpamonjy afaka hanampy azy ireo, koa nanararaotra niantso sy nitady vonjy Taminy izy ireo.

2 – Mandresy ny sakana

Rehafa niantsoantso izy ireo dia voalaza fa « niteny mafy azy ireo ny vahoaka mba hangina » (and. 31) Inona no dikan’izany ? Mankarenin-tsofina ve izy ireo dia hampanginina sa tsy tian’ny vahoaka ho sitrana izy ireo sa tsy tian’ny vahoaka elingelenina i Jesoa Kristy ? Ny andrasana izany dia ny hanginan’izy roa lahy. Tsy izany anefa fa no nitranga fa vao maika niantsoantso mafy izy roa lahy izany hoe nampitomboiny mafy ny kiakiakam-paniriana te ho sitranin’i Jesoa Kristy ary vokany dia nijanona i Jesoa Kristy namaly ny hetahetam-pahasitranan’izy roa lahy. Ny manatona an’i Jesoa sy mila vonjy Aminy dia tsy mandeha ho azy amin’izao, tsy vita mora fotsiny fa misy sakantsakana ka izay mandresy ny sakana no hisitraka famonjena.

Fanontaniana 

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM