Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 15 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin'ny Tompo

Jakoba 1:26‑27
26 Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan'izany olona izany.

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Jakoba 1:26‑27

Ny tena mpivavaka marina

Melohin’ny mpanoratra ato amin’ity epistily ity ireo milaza tena ho mpivavaka kanefa tsy manao asa mifanaraka amin’ny finoany. Ny tena mpivavaka marina hoy izy dia :

1 – Mahafehy ny lelany

Singa kely monja eo amin’ny vatana ny lela. kanefa afaka hampidi-doza ny tena manontolo. Ny teny tsy voalanjalanja ataon’ny olona iray ao amin’ny Fiangonana dia mety hampisara-bazana ny rehetra. Izany indrindra no ilazan’ny mpanoratra hoe : « …Aoka ny olona rehetra halady hihaino, ho malai-miteny… » (Jak. 1:9) ; Tandremo mba tsy hanafintohina ny hafa no sady tsy hahameloka antsika eo anatrehan’ny Tompo ny teny rehetra aloaky ny vavantsika.

2-Mamangy ny kamboty sy ny mpitondratena

« Rain’ny kamboty sy mpanome rariny ny mpitondratena Andriamanitra, ao amin’ny fonenany masina. » (Sal. 68:5). Izay rehetra zanak’Andriamanitra dia tsy maintsy hanam-pitiavana ka hanao ho zava-dehibe ny fiahiana ireo kamboty tsy manan-dray. ny mpitondratena tsy manana vady, vahiny tsy manana hianteherana.

3-Miaro ny tenany tsy hisy pentipentina

Ny nanoloran’i Kristy ny tenany ho sorona ho an’ny Fiangonana dia ny mba hanadiovany sy hanamasinany azy tsy ho voaloto intsony « …Tsy misy pentipentina, na fikentronana…  » (Efe. 5. 27). Ny olona miaro ny tenany tsy hisy pentipentina avy amin’izao tontolo izao dia izay efa nandray an’i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy azy.

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM