Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Salamo 22.1-11
1 [Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako. 2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho. 3 Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely. 4 Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao. 5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy. 6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka. 7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: 8 Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy] 9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko; 10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao. 11 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Salamo 22.1-11
Mety hisy fotoana sarotra izay iheveran’ny olona fa manadino azy Andriamanitra. Amin’ny fotoana toy izany indrindra no vao mainka tokony hitadiavana Azy sy hiantsoana fanafahana avy Aminy :
1-Amin’ny alalan’ny vavaka :
« Andriamanitra ô, Andriamanitra ô! nahoana no dia mahafoy ahy ianao ? » (and1) . Miantso an’ Andriamanitra izy ka mitaraina Aminy . Fantany fa ao amin’ Andriamanitra ihany no misy ny fanafahana amin’izao fahoriana lalina manjo azy izao. Inoany fa mahita ny fahoriany ny Tompo na dia toa tsy mihaino ny fitarainany sy tsy mamaly azy aza. Toy izany no fijoroana ho vavolombelona takiana amintsika kristiana manoloana ny fahoriana sy ny fanenjehana . Mety hanaraby antsika mantsy ny olona ka hanao hoe: aiza izay Andriamanitrareo no tsy mamonjy anareo amin’izao fahoriana izao ? (and8) . Miantsoa fanafahana avy Aminy . Tsy hamela antsika ho amin’ny fahafatesana Izy na dia misy aza izay ady sarotra tsy maintsy hosedraina .
2-Amin’ny fahatokiana Azy
Hita taratra amin’izao vavaka izao koa ny finoana mafy orina ananan’ny mpanao salamo ka hamerenany indray ny filazana izay efa nataon’ Andriamanitra tamin’ny lasa. Hoy indrindra izy: »Ianao no nitokian’ny razanay …Ianao no nitarainanay…Ianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibon-dreniko . Hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Ianao « (and 4.5,10). Ny olona miandrandra fanafahana dia tsy maintsy hanana finoana tsy voahozongozona .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM