Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 07 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Levitikosy 25, 8-13
1 [Lalàna ny amin'ny taona sabata sy ny Jobily] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ka nanao hoe:Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Levitikosy 25, 8-13
JOBILY IAINANA
Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa ny Jobily dia:
1-Taona Masina
« Fa Jobily izany ka ho masina ho anareo… » (and. 12a) Aoka hiavaka eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana izany taona izany. Tsy amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana sy ny fïtadiavam-bola ihany, fa indrindra amin’ny toe-panahy entina mankalaza Azy. Taona voatokana ho an ny Tompo ny taon-jobily. Fo voadio sy voasasan’ny ran’i Jesoa Kristy Tompo no mendrika hankalazana izany.
2-
Fanafahana ny olona
Ny taon-jobily dia taom-panafahana ho an’ny olona. « Ary hamasino ny taona faha dimampolo, ka miantsoa fanafahana ho an’ny mponina rehetra ao aminy. « Samy hody any amin’ny taniny sy ny mpianakaviny avy ny olona rehetra (and. 13). Tsarovy fa mitsinjo ny olony ny Tompo ka manafaka azy amin’ny fanandevozana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.
3-Fanafahana ny tany
Avela hitsahatra ny tany, ka sady tsy asaina no tsy amafazana (and. 11). Atao izany mba hahazoan’ny tany tsiro indray, ary koa ho fampahatsiarovana fa « An’i Jehovah ny tany » (Sal.24). Fantaro fa misy olona tsy manana zara tany akory, fa ny hafa firenena indray no lasa tompony. Raha ny hafa Firenena aza nekena hanana tany eto, dia rariny raha manana tany eto Madagasikara avokoa ny Malagasy ka ho afaka amin’ny fahantrana. Manana andraikitra amin’ny fanarenana izany ny Fiangonana.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM