Mianoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 03 Jona 2018

Mianoa fanafahana avy amin'ny Tompo 

Deoteronomia 15, 1-6
1 [Ny amin'ny taom-panafahana] Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.

Mianoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Deoteronomia 15, 1-6

TAON-JOBILY

Mankalaza ny Jobijy faha 50 taonany ny Fiangonan’Jesoa Kristy eto Madagasikara amin’ity taona ity. Manome fampianarana ho antsika ny tenin’Andriamanitra mba hahalalantsika fa ny taon-jobily dia:

1- Taonan’ny fifamelana

Teo amin’ny Israely, ny taon-jobily dia fotoana famoizan-trosa ho an’ny mpiray firenena, fanomezana fanampiana ho an’ny ory sy mahantra, famotsorana ny andevo… Izany no natao ho fanajana ny Tompo. Ka anatin’izao taon-jobily izao dia aoka isika hifamela heloka, tahaka izay namelan’ny Tompo ny fahotantsika. Ho fampiharana izany dia taomina koa isika mba hifanampy sy hifampitsimbina; hijery manokana ireo izay mahantra sy sahirana, hanampy azy ireny mba ho afaka amin’ny fahantrana.

2- Taom-pitahiana

Tsy hisy malahelo sy mahantra eo amin’ny firenena raha toa ka votantana ara-drariny sy araka ny sitrapon’Andriamanitra ny harena rehetra. Endrika famoretana sy tsy rariny ny fanaovana am-pihimamba ny harem-pirenena. ka mila fanafahana mba ho fitahiana ho an’ny rehetra. Ny fihainoana sy fankatoavana ny tenin’Andriamanitra no antoky ny fitahiana ho an’ny firenena. « Fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin’ny tanv izay omen’i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao, raha mihaino tsara ny feon’i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio » (Deo. 15:5).

Fanontaniana:
Nitondra fiovana teo amin’ny fiainanao ve ny Jobily?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM