Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Salamo 70.1-5
1 [Fangatataham-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy. 2 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny manjo ahy; 3 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay! 4 Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra. 5 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankat? amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Salamo 70.1-5
1-Antsoy faingana Izy (and1,5)
Aoka isika hahatsiaro ho dodona ka tsy hangataka andro intsony. Antsoy ny Tompo fa Izy irery ihany no azo antoka hanafaka antsika amin’ny fandriky ny fahavalo sy izay ta-hanisy ratsy . Hoy ny Soratra masina : »Antsoy Aho , dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao » Jer 33.3
2-Apetraho Aminy ny ady (and 2,3)
Mety alaim-panahy isika ka hamaly izay manisy ratsy antsika . Ampianarina isika hatoky fa fitaovam-piadiana enti-mandresy ny vavaka. »…mba ho menatra sy hangaihay ary ho afa-baraka izay mitady hanisy ratsy sy mifaly amin’ny fahavoazantsika « . Angataho ny Tompo handray an-tànana amin’ny adintsika . « Jehovah hiady ho anareo , fa ianareo kosa hangina » (Eks 14.14).
3-Mivavaha ho an’ny hafa (and4)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM