Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 26 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy masina
Salamo 104.24-30
24 Endrey ny hamaroan'ny asanao, Jehovah ô! Fahendrena no nanaovanao azy rehetra; Henika ny zavatra nataonao* ny tany. [Na: ny harenao] 25 Indro ny ranomasina sady lehibe no malalaka, Any no misy zava-mihetsiketsika tsy tambo isaina, Dia zava-miaina, na kely na lehibe. 26 Any no alehan'ny sambo Sy ny trozona, izay noforoninao hilaolao any*.[Na: holaolaovinao] 27 Ireo rehetra ireo miandry Anao, Mba homenao ny haniny amin'ny fotoany. 28 Manome Hianao, dia manangona izy; Manokatra ny tananao Hianao, dia voky ny soa izy; 29 Manafina ny tavanao Hianao, dia raiki-tahotra izy; Alainao indray ny ainy, dia maty izy Ka mody any amin'ny vovoka nanalana azy, 30 Maniraka ny Fanahinao Hianao, dia ary izy, Ary manavao ny tarehin'ny tany Hianao.Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
Salamo 104.24-30
Maniraka ny Fanahinao ianao dia àry izy ary manavao ny tarehin’ny tany ianao »(and30)
Mamelona sy miahy antsika Izy
« Maniraka ny Fanahinao ianao dia àry izy » . Tsy velona ary tsy mahalavorary ny asany ny voahary rehetra raha tsy eo ny asan’ny Fanahy . Ny asa faharian’ Andriamanitra dia tsy mitoetra fotsiny eo amin’ny fanamboarana na fomoronana ny zavatra mbola tsy nisy ho tonga misy , fa miitatra mankany amin’ny famelomana sy fiahiana mba hikendrena ny fandavorarian’ny zava-boahary rehetra ny asany , araka izay nikendren’ Andriamanitra azy . Voariny sy asany isika ka miahy sy mitsimbina ary mamelona antsika Izy . Ny fanomezany ny Fanahiny no miantoka izany , sady ny Fanahiny no Andriamanitra miaraka amintsika ankehitriny . Omeny hitarika antsika ny Fanahy mba ho lavorary koa ny asa sy ny andraikitra ifidianan’ny Tompo sy hanirahany antsika .
2-Manavao ny endriky ny tany Izy
« Ary manavao ny tarehin’ny tany ianao » . Hatrany amin’ny Gen 1.2 dia niasa tamin’ilay tany tsy nisy endrika sady foana ny Fanahy . Tany foana sy tsy misy endrika ary tsy azo iainana , na tsy mahavelona no nisy raha tsy miasa ny Fanahin’ny Tompo . Potika ny tontolo iainana ankehitriny . Koa tsy ny ezaka ataon’ny olona sy ny fikambanana mpanao asa soa no tokony hianteherana fa angataho indray ny Fanahy ary isika mpino , maneke hotarihan’ny Fanahy ho fiasana mpanavao ny tarehin’ny tany , ho fiainana ho an’ny mpiara-belona amintsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM