Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina

Mofonaina anio: Zoma, faha 25 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy masina

1 Samoela 10.1-10
1 Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan'i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany? 2 Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan'ny fasan-dRahely, ao amin'ny fari-tanin'ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin'ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin'ny zanako? 3 Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin'ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin'ny olona telo lahy miakatra ho any amin'Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak'osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara*; [Na: siny hoditra] 4 ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin'ny tànany izany. 5 Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean'Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan'ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin'ny mpaminany maro irai-dia midina avy ao amin'ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo. 6 Ary hilatsaka aminao ny Fanahin'i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao. 7 Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon'ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao. 8 Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao. 9 Ary raha vao nihodina niala tamin'i Samoela izy, dia nomen'Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo. 10 Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin'i Saoly ny Fanahin'Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina

1 Samoela 10.1-10

Ary hilatsaka  aminao  ny Fanahin’i Jehovah  , ka  hiara-maminany  aminy ianao , dia ho voaova  ho olom-baovao »and 6

Ny  asan’ny  Fanahy  eo  amin’ny olona

1-Mampiombona

Ny nandraisan’i Saoly ny Fanahin’i Jehovah  niombonany  tamin’ireo vondrona mpaminany  na mpaminany  irai-dia, izay  nantsoina hoe: zanaky ny mpaminany . Mampiombona ny Fanahy , ary  mampiray  sy  mampikambana  an’ireo  izay  samy efa  nandray  ny Fanahy  . Tsy  asan’ny Fanahy  ny samy  maka ho azy ao  am-piangonana , ka lasa  mpifaninana miteraka  fialonana , na dia  mody amboarina amin’ny hoe: fifaninanana masina aza izany . Asehoy  fa iray  ny Fanahy  , ka mampiray antsika.

2-Mampiteny  ny sitrapon’ Andriamanitra

« Hiara-maminany aminy ianao » , hoy i Samoela tamin’i Saoly . Tsy  naminany  i Saoly  raha  tsy nandray  ny  Fanahin’i Jehovah . Ny  olona maminany  dia tsy ny  milaza zavatra  ho  avy  , fa  ny miteny  ny hafatra sy  milaza  ny  sitrapon’ Andriamanitra . Anisany  ireo  izay  mitoriteny sy mitory Filazantsara . Tsy handray  ireo andraikitra  ireo  isika raha tsy  manaiky  hotarihan’ny  Fanahy . Tsy  efan’ny  sain’ny  olona fotsiny  ny fanambarana ny Tenin’ Andriamanitra .

3-Manova ny olona ho vaovao

« Ho  voaova  ho olom-baovao (ianao)« . Olona hafa  no heviny eto na hoe: tsy  ho toy ny teo aloha  intsony . Tsy  mitovy  ny toetra  sy fiainan’ny olona mbola tsy nandray  ny  Fanahy  sy  ny efa  nomena ka nandray  ny Fanahy  sy ny efa  nomena ka nandray  ny Fanahy . Matoa  tsy  mahatsiaro  fiovana isika , dia mety  ho  nandray  ny Fanahy   ihany isika , nefa  tsy  manaiky hotarihan’ny  Fanahy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM