Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 24 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy masina
2 Petera 1.16-21
16 Fa tsy nanaraka izay anganongano noforonin'ny fahafetsen'ny saina izahay, raha nampahafantatra anareo ny hery sy ny fihavian'i Jesosy Kristy Tompontsika; fa efa hitan'ny masonay ny fiandrianany. 17 Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no Zanako malalako izay sitrako" (Mat. 17.5). 18 Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay. 19 Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro; 20 fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; 21 fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy.Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
2 Petera 1.16-21
Hamafiso orina ny finoana
1-Aoreno amin’ny Tenin’ Andriamanitra .
Marobe ny fampianarana feno hafetsifetsena notorin’ny sasany tamin’ny andron’ny Apostoly , ka nanimba ny fiainan’ny fiangonana . Mitovy amin’ny ankehitriny ihany izany. Izany indrindra no ijoroan’i Petera ho vavolombelona eo amin’ny and 18, tamin’ny nandrenesany mivantana an’ Andriamanitra niteny , nandritra ny fiovan-tarehy tao an-tendrombohitra (Mar 9.1) . Izany no ilazany hoe: « manana teny mafy orina kokoa isika » (and19). Voarakitra ao amin’ny Soratra masina izany ankehitriny. Ao no anovozy ny Tenin’ Andriamanitra hanamafy orina finoana. Izany no mahatonga ny Protestanta hanamafy hoe: Ny Soratra masina irery ihany . Ivelan’ny Soratra masina dia anganongano foronina.
2-Aoreno amin’ny famoahan-kevitry ny Soratra masina
Ny andininy roa , ny faha- 20 sy 21 dia milaza ny famoahan-kevitry ny Soratra masina , misy anjaran’ny olona izany eo andaniny ary ny fanahy masina ankilany , tsy fisainan’ny olona fotsiny amin’ny fianarana sy famakafakana ary fandalinana fa tsy maintsy eo ambany fitarihan’ny Fanahy masina . Samy hadisoana ny filazana na ny hoe: asan’ny Fanahy fotsiny ny famoahan-kevitry ny Soratra masina , na ny hoe: vitan’ny asa sain’ny olombelona izany. Ny tena finoana dia ny Tenin’ Andriamanitra ampitainy avy amin’ny Soratra masina , ka hazavain’ny olona araka izay hitondran’ny Fanahy masina azy (vakio and 21b). Izany no re ao am-piangonana . Koa aoreno amin’izany ny finoantsika .
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM