Maneke hohavaozin’ny Fanahy  Masina 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 23 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy  Masina 

Asan'ny Apostoly 4.27-31
27 Fa efa niangona marina tokoa teto amin'ity tanàna ity Heroda sy Pontio Pilato mbamin'ny jentilisa sy ny olona Isiraely hanohitra ny Mpanomponao* Masina, dia Jesosy Izay nohosoranao, [*Na: ny Zanakao] 28 mba hanao izay notendren'ny tananao aman-tsainao rahateo hatao. 29 Koa ankehitriny, Tompo ô, jereo ny fandrahonany; ary omeo anay mpanomponao ny mba hitory ny teninao amin'ny fahasahiana rehetra, 30 omban'ny aninjiranao ny tananao hahasitrana sy ny anaovana famantarana sy fahagagana amin'ny anaran'i Jesosy, Mpanomponao* Masina. [*: Na: Zanakao] 31 Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy  Masina 

Asan’ny Apostoly 4.27-31

Ento  eo  amin’ny  Tompo  ny olana  sy ny  manahirana 

1-Lazao  Azy  ny fototra olana 

Vavaka  nataon’i Petera  sy i Jaona  ary  ireo  mpino   namany  izao  Mofonaina izao . Tsy  nihafahafa  izy  ireo  eo  amin’ny and 27 nilaza  ny fototra olana  sy ny sokajn’olona mpanohitra  ny finoana , ka nahatonga  ny olona rehetra  . Isika koa , rehefa tojo  zava-manahirana  dia aza misalasala  milaza amin’ny Tompo  ny fototry ny  olana . Tsy  hoe: manao  tatitra   na mampahafantatra  fa mitaraina . Tsy  ampahafantarinao  ny zava-misy  ny Tompo , satria  efa fantany  izany , fa  natao  hitarainana sy hilazana  ny zava-manjo  mbamin’ny  olana kosa Izy.

2-Angataho  ny  hidirany  an-tsehatra 

« jereo  ny fandrahonany »(and29). Fangatahana  ny handraisan’ny Tompo  an-tànana  ny toe-draharaha izany , ary  sady fitalahoana Aminy  mba hiditra  an-tsehatra . Tsara  hataontsika  izany  , satria ny Tompo  efa nampanantena  antsika fa ho  fahavalon’ny fahavalontsika ary ho rafin’ny rafintsika (Eks 23.22), sady  momba  sy hamonjy  (Jer 1.8.19;15,20) . Ny fidiran’ Andriamanitra  an-tsehatra  amin’ny trangan-javatra  iray  manjo  antsika  dia tsy  maintsy  mitondra famonjena .

3-Angataho  ny hanomezany  hery

Tsy nangataka  ny hanafoanana  ny olana sy ny fanenjehana ireo  mpino  mivavaka  ireto , fa nangataka  ny hanomezana hery  sy fahasahiana aza. Notanterahin’ny Tompo  ny  fangatahan’izy  ireo , ka  izany    no nanomezany   ny Fanahy masina (and31). Tsy  ny hanesorana ny olana matetika no vahaolana , fa  ny hanomezana ny herin’ny Fanahy  hiatrehana ny  zava-misy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly  Alahady FOIBE FJKM