Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Talata, faha 22 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
Genesisy 1.1-5
1 [Ny namoronan'Andriamanitra izao tontolo izao] Tamin'ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany. 2 Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano. 3 Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava. 4 Ary hitan'Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin'Andriamanitra ny mazava sy ny maizina. 5 Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Genesisy 1.1-5
Ny asan’ny Fanahy amin’ny fahariana 
Mbola mpahary ve Andriamanitra ankehitriny sa efa vitany tany am-piandohana ny asa fahariana ka sanatria efa mipetra-potsiny Izy? Fanontaniana tsy tokony haroso izany nefa mampieritreritra ka hanairana ny saintsika sy ny finoantsika. Miharihary eto amin’ny Gen1. fa ny Fanahin’ Andriamanitra no lohalaharana amin’ny fahariana. Efa nanatrika tao anatin’ny aizina sy mialohan’ny nitenenan’ Andriamanitra Izy.
Miasa hitondra fahariana ny fanahy . Ny fahariana dia tsy fampanjariana ny tsy mbola nisy ho tonga misy ihany na famoronana zavatra vaovao, fa fahariana koa ny famonjena sy fanavaozana ary ny fanomezana aina. Ny olona voavonjy sy nandray famelankeloka tao amin’i Kristy sy tamin’ny Anaran’i Jesoa Kristy koa dia toy ny voahary vaovao ary izany no ilazana fa olombaovao izy (2 Kor. 5.17).
Anisan’ny asa fahariana koa ny fanaovana zavatra « tsara ». Izany no antony ahitantsika ny teny miverimberina hoe: »hitan’Andriamanitra favtsara… ». Ny « tsara » amin’ny fahariana dia tsy tarafina amin’ny endrika amam-bika ihany, fa tsaraina amin’ny fandavorariany ny asany, araka izay nikendren’ Andriamanitra azy koa. Isany no hevitra fototra tian’ny Soratra masina havoitra. Tsy ho lavorary ny asany raha tsy eo ny asan’ny Fanahy masina . Asan’ Andriamanitra koa isika , ary voahary vaovao sady olomboavonjy . Koa maneke hotarihan’ny Fanahy mba hanao asa tsara (Efe. 2.10). Tsy ny hankanton’ny asa ihany, fa ny fahalavorariany araka ny sitrapon’ Andriamanitra . Fadio ny kitoatoa, kendreo ny tanjona amin’ny asanao mba hitondra soa sy fitahiana ho an’ny mpiara-belona. Ny fitarihan’ny Fanahy no miantoka izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM