Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina Jaona 20, 21-23 Nirahina hitondra aina ny mpino
Jaona 20,21 - 23
21 Ary hoy indray Jesosy taminy: Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa. 22 Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanisy fofonaina, ka hoy Izy taminy; Raiso ny Fanahy Masina; 23 na helok'iza na helok'iza no avelanareo, dia voavela izany; ary na an'iza na an'iza kosa no tsy avelanareo, dia tsy voavela izany.1- Satria nirahina tahaka an’i Jesoa iraky ny Ray
« Tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa ». hoy i Jesoa. Noho izany dia nirahina ho any amin’izao tontolo izao tahaka an’i Jesoa ny mpino . Nirahina hanakaiky ny olona mila vonjy ny mpino. ary nirahina hananan’ny olona fiainana sady hananany be dia be, tahaka an’i Jesoa (Jao. 10:10) .Nirahina hiantso ny mpanota mba hibebaka, sady hitady sy hamonjy izay very. Iraka sy adidy mitondra fiainana izany. ary tsy fiainana ho antsika izay irahina fa fiainana ho an’izay olona anirahana antsika. Koa aza mikatsaka fiainana ho antsika ka mionona sy mipetraka mampandry eritreritra rehefa mihevi-tena ho nahazo « aim-panahy », fa tahaka ny nanirahan’ny Ray Ahy, no anirahako anareo koa, hoy i Jesoa. I jesoa izay nanolotra ny ainy hamonjeny ny mila vonjy nanirahana Azy.
2- Satria nomena nv Fanahv mitondra aina mahavelona
«Ary rehefa nilaza izany Izy dia nanisy fofonaina… » (and.22). Ny Eze 37, 5-10 izay milaza ny nameloman’ny fofonaina ny taola-maina no hevitra fototra eto. lo fofonaina io dia ny Fanahy Masina. mamelona ny maty sy ny taola-maina ; mitondra fanantenana ho an’ny mamoy fo sy ny miraviravy tànana. Nandray ny Fanahy Masina na ny fofonaina isika sady hamelona antsika sy hanangana antsika izany (Rom 8. 11) no hitarika antsika hizara fiainana sy fanantenana ary fahavelomana ho an’ny hafa koa. Koa raiso ny andraikitra, zarao ny fiainana sy ny aina ho an’ireo mitaraina ho efa «taola-maina » miara-belona amintsika. fa nomena ny Fanahy isika.
Fanontaniana:
Afaka mitondra aina amin’ny lafiny rehetra ho an’ny mpiara-belona tokoa ve isika, sa anjaran’ny mpanao politika izany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM