Mifandray amintsika Ilay Andriamanitra miafina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 19 Mey 2018
Jaona 4,12 - 16
12 Hianao va lehibe noho Jakoba razantsika izay nanome anay ity fantsakana ity, sady izy sy ny zanany mbamin'ny bibiny no nisotro teto? 13 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray; 14 fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay. 15 Hoy ravehivavy taminy: Tompoko, omeo izany rano izany aho, mba tsy hangetaheta na hanketo hantsaka intsony. 16 Hoy Jesosy taminy: Andeha ary, antsoy ivadinao, ka mankanesa at? .Mifandray amintsika Ilay Andriamanitra miafina
Tena mahagaga ny fomban’Andriamanitra ! Miafina Izy, nefa mifandray sy mitoetra ao anatintsika. Misy porofo izany :
1– Amin’nv toetrantsika maneho fitia mifamalv
Ny and. 12 amin’ity Mofonaina anio ity no milaza fa tsy hita ary miafina ny Tompo nefa mitoetra ao amintsika. Tsy maintsy hita vokatra eo amin’ny toetrantsika izany dia ny fanehoantsika fitia mifamaly, na fifankatiavana. Izay itoeran’Andriamanitra dia misy fitiavana, satria Andriamanitra dia fitiavana. Ny fifankatiavana no manamarina sy manaporofo fa mitoetra ao amin’ny olona Andriamanitra.
2- Amin’nv fanekena hotarihin’nv Fanahy
Ny fifankatiavana no voalazaeo aloha fa porofon’ny fitoeran’Andriamanitra ato amintsika, fa ny Fanahy izay nirahina ho ao amin’ny mpino kosa no mitarika azy hitoetra ao Aminy, mba hanamafy orina ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Ekeo hitarika antsika ny Fanahy dia ho mafy orina ny fiombonana sy ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra. Amin’izay, dia Izy ho ato amintsika ary isika ho ao Aminy.
3- Amin’nv fanekena ny fïnoana an’i Jesoa.
Amin’ny fïnoana an’i Jesoa tena no ifandraisantsika amin’llay Andriamanitra miafina. Araka ny fïnoana fa nirahin’ny Ray hamonjy izao tontolo izao Izy (and. 14). Tsy ampy ny hoe : mino an’Andriamanitra Ray fa izay rehetra te- hifandray Aminy dia tsy maintsy manaiky ampahibemaso ny finoany an’i Jesoa ho Zanak’Andriananitra. Na i Jesoa aza efa nilaza hoe : « Minoa an ‘Andriammitra ary minoa Any koa » (Jao. 14:1).
Fanontaniana:
Marina amin’ny fïnoana krisiana ve ny tenim-pahendren’izao tontolo izao hoe : « Nohariana hotiavina ny olona » ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM