Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 14 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina 

Joba 33.1-7
1 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra. 2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako. 3 Ny hitsim-poko no hiseho amin'ny teniko; Ary ny fahalalan'ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka. 4 Ny Fanahin'Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain'ny Tsitoha no mamelona ahy. 5 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara. 6 Indro, izaho koa mba an'Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin'ny tanimanga. 7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Joba 33.1-7

Sarobidy  ny namana tarihin’ny Fanahy  Masina 

1-Manana fahendrena miavaka 

Teo anatrehan’ny  vina nihatra  tamin’i Joba  dia niezaka nampahery  azy i Bildada sy Elifaza ary Zofara. Nivoatra ho fifandresen-dahatra  teo  amin’izy  telo lahy  sy i Joba izany .Hatreo amin’ny toko  faha- iraika ambin’ny telopolo dia izy efa-dahy  no niandahatra . Rehefa afa-po tamin’ny fitenenana ireo  zokiolona ireo  dia izay  vao nanapa-kevitra  hiteny kosa i Eliho. Nanamarika izy  fa tsy  miankina amin’ny taona ny fahendrena fa miankina  amin’ny fanekena ny  fitarihan’ny Fanahy Masina (32.7-8). Voasoratra hoe: »ny fanahy izay ao anatin’ny zanak’olombelona sy ny fofonain’ny Tsitoha no mahahendry azy « . Mivantana kokoa  ny andininy fahasivy  manao hoe: »tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry , ary tsy dia ny fahanterana no  hahalalana ny rariny ».

2-Manitsy mananatra :

ny  hitsimpoko  no hiseho  amin’ny teniko…holazaina  tsy  asiana fitaka

« ao ny  andro anginana ary ao  ny  andro itenenana

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM