Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
1 Korintiana 2.12-16
12 Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen'Andriamanitra antsika. 13 Izany koa no lazainay, tsy amin'ny teny ampianarin'ny fahendren'olona fa amin'ny teny ampianarin'ny Fanahy, raha milaza zava-panahy amin'izay olona* araka ny Fanahy** izahay. [ * Na: teny] [** Na: raha mampikambana zava-panahy; na mampitaha zava-panahy] 14 Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an'ny Fanahin'Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany. 15 Fa ny olona araka ny Fanahy kosa dia mahafantatra ny zavatra rehetra, kanefa izy tsy fantarin'olona. 16 Fa iza no nahafantatra ny sain'ny Tompo mba hampianatra Azy*? (Isa. 40. 13). Fa izahay manana ny sain'i Kristy. [* Na: azy]Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
1 Korintiana 2.12-16
Ny Fanahy noraisintsika
1-Mahatonga antsika hisaotra sy hankasitraka ny Tompo .
Voasoratra fa ny Fanahy izay avy amin’ Andriamanitra dia mahatonga antsika ahafantatra izay zavatra nomen’ Andriamanitra . Ny Tompo dia sady tsara no mpanao ny tsara . Miara-miasa hahasoa ireo fanomezany ho antsika .Na dia tsy takatry ny saintsika eo no eo aza ny haben’ny fitiavany , ny azo antoka dia mikatsaka izay hahasoa antsika mandrakariva Izy. Araka izany, ny fahaizana misaotra sy mankasitraka ny fanomezany dia singa iray mampiavaka ireo nandray ny Fanahy avy Aminy . Joaba , mpanompon’Andriamanitra dia nahay nankasitraka ny fitantanan’ Andriamanitra ny fiainany na dia nandalo fotoan-tsarotra aza izy .
2-Mahatonga antsika mahay misafidy :
Voasoratra fa «ny olona araka ny Fanahy dia mahafantatra ny zavatra rehetra »(and16). Tsy àry mampandroso daholo anefa ireo fa ao ny tsara, ao na ny ratsy . Mampiavaka ny olna araka ny Fanahy ny fizorany amin’ny safidy tsara. Harena lehibe ho antsika ny fahaizantsika manavaka ny tsara sy ny ratsy , ny vary sy ny tsiparifary, ny marina sy ny diso. Andriamanitra dia mitaona antsika hanana safidy tsara eo amin’ny fiainana .
Fanontaniana :
Manomeza ohatra amin’ireo fanomezana avy amin’ny Tompo anao ka tokony hisaoranao Azy .
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM