Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
1 Timoty 3.14-16
14 Izany zavatra izany dia soratako aminao, na dia manantena hankat? aminao faingana aza aho; 15 fa raha tratra ela aho, dia ny hahafantaranao izay fitondran-tena mety hatao ao an-tranon'Andriamanitra, dia ny fiangonan*'Andriamanitra velona, sady andry sy fiorenan'ny fahamarinana. [* Gr. eklesia] 16 Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin'ny nofo, nohamarinina tao amin'ny Fanahy; hitan'ny anjely, notorina tany amin'ny jentilisa, ninoana teny amin'izao tontolo izao, nakarina tamin*'ny voninahitra. [* Na: ho any amin']Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
1 Timoty 3.14-16
Ny fiangonan’ Andriamanitra velona
1-Mitaky fitondrantena miavaka
« …fa raha tratra ela aho dia ny hahafantaranao izay fitondrantena mety hatao ao an-tranon’ Andriamanitra … »(and 15). Masina ny fiangonana ary takiana fahamasinana ny mpino eo anivony. Indrisy anefa fa misy fanaon’izao tontolo izao izay hita taratra ao amin’ny fiangonana indraindray, toy ny fitafiana tsy maontina, ny fihatsarambelatsihy, ny fahalovana, ny fijerena tavan’olona, ny fitabatabana samihafa. Soa ihany fa misy ny mijoro amin’ny fahamarinana sy fahamasinana hatramin’ny farany. Mila manana fahasahiana hitaona ny mpianakavin’ny finoana hanana fitondrantena miavaka ny mpitarika eo anivon’ny fiangonana.
2-Andry sy fiorenan’ny fahamarinana
Jesoa Kristy, Ilay làlana sy fahamarinana ary fiainana no nanorina ny fiangonana . Tsy azo leferina ny fanaovana ny fiangonana ho zohy fieren’ny jiolahy. Tsy maintsy mijoro ho fanasina sy ho fanazavana ny fiangonana . Fahamarinana ara-pitondrantena, fahamarinana eo amin’ny fanambarana madio ny Tenin’ Andriamanitra. Tsy maintsy milaza ny marina ny fiangonana ary tsy mijery tavan’olona.
Fanontaniana :
Tanisao izay fitondrantena takiana ao an-tranon’ Andriamanitra fantatrao. Samy hafa amin’ny atao any ivelany ve izany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM