Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 10 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina 

Salamo 57.7-11
7 Tafatoetra ny foko, Andriamanitra ô, eny, tafatoetra ny foko; hihira sy hankalaza aho. 8 Mifohaza, ry voninahitro; mifohaza ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa* aho.[Na: Hampifoha ny maraina aho] 9 Hidera Anao eny amin'ny vahoaka aho, Tompo ô, hankalaza Anao eny amin'ny firenena aho. 10 Fa lehibe mihatra amin'ny lanitra ny famindram-ponao, ary mihatra amin'ny rahona ny fahamarinanao. 11 Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; aoka ho ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Salamo 57.7-11

Mandresy ny  sarotra ny  mpino

1-Feno fahatokiana

Raha  ny  toe-javatra  natrehan’i Davida  dia noheverina fa  ny tahotra, ny  tebiteby, ny fanahiana no  mibahana eo  aminy. Ny  mifanohitra  amin’izany  anefa   no nitranga  teto.  Manoloana  ny fanenjehana , fifofoana izay  nataon’i Saoly  dia  niatrika izany  tamim-patokiana tanteraka i Davida . Hoy izy  hoe : « Tafatoetra ny  foko Andriamanitra ô,  eny  tafatoetra ny  foko » (and7). Izany  dia midika hoe: mitombina tsara , tsy  misy ahiahy , tsy misy tebiteby, mahitsy, hentitra, tsy  miroa saina, satria  miaraka  amin’Ilay Mpiandry  tsara. Jesoa  Kristy  dia feno  fatokiana na dia misedra  zavatsarotra  aza. Sahia mijoro  manoloana ny làlan-tsarotra .

2-Manandratra  avo ny Anaran’ny Tompo

Hafa  mihitsy  ny  fomba fiatrehan’i Davida  olana : fiderana, fankalazana , fanandratana, fanomezam-boninahitra ny  Tompo. Efa tsinjony  sahady   ny  valim-bavaka. Fantany  Ilay inoany. Mampianatra  antsika  izao fijoroan’i Davida izao mba hananantsika fanantenana eo am-piatrehana ny fotaon-tsarotra. Tsy  vaha-olana ny  fimonomononana sy ny  fifanomezan-tsiny . Azo atao  ny  miatrika  am-pifaliana amin’ny alalan’ny  fiderana tahaka ny nataon’i Paoly sy Silasy  tao an-tranomaizina (Asa 16.25).

Fanontaniana :

Nahoana  no  mbola   mahavita  misaotra  sy midera  ny Tompo  ireo mpiara-manompo  amintsika na dia misedra  zavatsarotra  aza ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM