Maneke hohavaozin’ ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alarobia, faha 09 Mey 2018
Maneke hohavaozin’ ny Fanahy Masina
1 Tesaloniana 1.1-10
1 [Fiarahabana ny Tesaloniana, sy fisaorana an'Andriamanitra noho ny nandraisan'ireo ny filazantsara sy ny nandrosoany tamin'ny finoana sy ny fitiavana] Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan'ny Tesaloniana, izay ao amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana. 2 Misaotra an'Andriamanitra mandrakariva izahay ny aminareo rehetra ka manonona anareo amin'ny fivavahanay, 3 sady tsy mitsahatra mahatsiaro ny asanareo amin'ny finoana sy ny fikelezanareo aina amin'ny fitiavana ary ny faharetanareo amin'ny fanantenana an i Jesosy Kristy Tompontsika eo imason'Andriamanitra Raintsika; 4 fa fantatray, ry rahalahy malalan'Andriamanitra, ny fifidianana anareo, 5 fa ny filazantsaranay tsy tonga teo aminareo tamin'ny teny ihany, fa tamin'ny hery koa sy ny Fanahy Masina ary ny fahatokiana be, araka ny ahafantaranareo izay toetry ny fitondran-tenanay teo aminareo noho ny aminareo. 6 Ary ianareo efa nanahaka anay sy ny Tompo, satria nandray ny teny tamin'ny fahoriana be mbamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina, 7 ka dia tonga fianarana ho an'ny mino rehetra any Makedonia sy Akaia ianareo. 8 Fa avy taminareo no nanenoan'ny tenin'ny Tompo, tsy tany Makedonia sy Akaia ihany, fa teny tontolo eny no nielezan'ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra, ka dia tsy misy holazainay intsony. 9 Fa ireny ihany no milaza ny aminay, dia izay fidirana azonay ho at? aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampy hiverenana amin'Andriamanitra mba hanompo an'Andriamanitra velona sy marina, 10 ary mba hiandry ny Zanany avy any an-danitra, Izay natsangany tamin'ny maty, dia Jesosy, izay Mpanafaka antsika amin'ny fahatezerana ho avy.Maneke hohavaozin’ ny Fanahy Masina
1 Tesaloniana 1.1-10
Mandrosoa ho any amin’ny lalina
Lohateny azo omena ity Mofonainantsika ity izany , mba hahazoana mitaratra ny fomba fiasa sy ny endriky ny fiaraha-miasa amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra .
1-Miasà amin’ny finoana
Azo atao ny mahita vokatra sy fahombiazana rehefa atao amim-pinoana izay atao.
2-Mikeleza aina amim-pitiavana
Hafa mihitsy ny fahavitrihana rehefa atao am-pitiavana ny fanompoana , tsy mitandro hasasarana .
3-Mahareta amin’ny fanantenana
Manana lazonady ny olona raha sady manana faharetana izy no efa manantena sahady ny vokatra andrasany .
4-Fantaro fa sarobidy ny fifidianana anareo
Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao
5-Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao :
Amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana , amin’ny fahadiovana (1 Tim 4.12).Ankoatry ny finoana azo avy amin’ny toriteny dia ny fijoroana ho fanasina sy fahazavana amin’ny fiainna andavanandro no mitondra vokatra .
Fanontaniana :
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM