Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Mofonaina anio: Talata, faha 08 Mey 2018

Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina 

Apokalypsy 11.11-13
11 Ary rehefa afaka ny hateloan'andro sy tapany, dia nisy fanahin'aina avy tamin'Andriamanitra niditra tao anatin'ireo, ary nijoro tamin'ny tongony izy, ka raiki-tahotra indrindra izay nahita azy. 12 Ary nahare feo mahery avy tany an-danitra izy roa nanao taminy hoe: Miakara at?. Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin'ny rahona ireo; ary nahatsinjo azy ny fahavalony. 13 Ary tamin'izany ora izany dia nisy horohorontany mafy, ka rava ny ampahafolon'ny tanàna, ary maty tamin'izany horohorontany izany ny olona fito arivo; ary raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an'Andriamanitry ny lanitra.

Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina 

Apokalypsy 11.11-13

Ny Fanahy nomen’ny  Tompo  antsika 

1-Fanahy mahavelona

« …dia nisy fanahin’aina avy  tamin’ Andriamanitra  niditra  tao anatin’ireo  » . Matetika  dia misy  fomba  fijerintsika  olombelona  mitsara ny zava-misy  izay  mitranga. Refesin’ny  olona  araka  ny hafoin’ny   fisainany  ny fiasan’ny Tompo. Mazava ny voalaza  ao amin’ny Gen 18.14 manao hoe:  « Fa moa  misy zava-mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va? Araka izany   dia hain’ny Tompo  ny manangana ny  maty. Hain’ny Tompo  ny manova ny toe-javatra  izay heverina hoe: tsy misy fanantenana intsony. Vitany  ny mamerina amin’ny laoniny  ny fahasimbana sy faharavana. Raha mino  ianao  dia ho hitanao  ny Voninahitr’ Andriamanitra.

2-Fanahy mampijoro

« …ary  nijoro  ny tongony izy » . Mahay  manarina ny lavo ny Tompo . Mahay mampitraka ny mitanondrika. Mahay  mampahery  ny kivy . Hoy izy hoe: »Ampaherezo  ny tànana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy » (Isa35.3). Na eo   aza ny rivotra mifofofofo,  na maro aza ireo mikasa handavo  sy hamingana dia tsy maintsy mijoro hatramin’ny farany  isika. Fa hoy ny Tompo; »miorena tsara , aza miova ». Ny fampaherezana avy amin’ny Fanahy Masina no mampijoro sy mampahery antsika.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM