Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Alahady, faha 06 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy Masina
Ezekiela 36.22-30
22 Koa atsovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tsy noho ny aminareo no anaovako izany, ry taranak'Isiraely, fa noho ny anarako, masina, izay nolotoinareo tany amin'ny jentilisa izay nalehanareo. 23 Ary hohamasiniko ny anarako lehibe izay efa nolotoinareo tany amin'ny jentilisa, ka dia ho fantany fa Izaho no Jehovah, hoy Jehovah Tompo, rehefa miseho ho masina eo imasony Aho amin'ny ataoko aminareo. 24 Fa halaiko avy any amin'ny jentilisa ianareo ary hangoniko avy any amin'ny tany rehetra ka ho entiko ho any amin'ny taninareo. 25 Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo. 26 Ary homeko fo vaovao ianareo, ary fanahy vaovao no hataoko ao anatinareo, ary hesoriko amin'ny nofonareo ny fo vato, ka homeko fo nofo ianareo. 27 Ary ny Fanahiko no hataoko ao anatinareo, ka hahatonga anareo handeha araka ny lalàko sy hitandrina ny fitsipiko ka hanaraka azy. 28 Ary honina any amin'ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo. 29 Ary hovonjeko ho afaka amin'ny fahalotoanareo rehetra ianareo, ary hantsoiko sy hataoko vokatra ny vary, ary tsy hanaterako mosary intsony ianareo; 30 ary hataoko vokatra koa ny voankazo sy ny vokatry ny saha, mba tsy ho voalatsan'ny jentilisa amin'ny mosary intsony ianareo.Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Ezekiela 36.22-30
Ny fanavaozan’ny Fanahy Masina
1-Mitondra fanadiovana
« …dia hofafazako rano madio ianareo ka hadio , ny mba ho afaka amin’ny fahalotoanareo rehetra… »(and25). Mampalahelo fa ny vahoakan’ Andriamanitra ihany no nandoto ny Anaran’ny Tompo tany amin’ny Jentilisa . Mandrora mitsilany izy ireo ka mahavoa tena , ary dia tonga maloto eo anatrehan’ny Tompo . Soa ihany fa eo ny famindrampon’ny Tsitoha . Manadio Izy , mamela heloka Izy . Manadio ny loton’ny fahotana Izy . Ny fanavotana teo amin’ny hazo fijaliana no mahatanteraka izany .
2-Mitondra fitahiana sy fiainam-baovao
Fo vaovao, fanahy vaovao, fahavokarana, taona zina , fandresena ny mosary . Ireo no santionan’ny vokatry ny fanavaozan’ny Fanahy masina. Mora ho an’ny olona manaiky havaozina ny fandaminana, manaja fitsipika mitandrina ny didin’ Andriamanitra. Misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny olona amn’ny ankapobeny ny fitarihan’ny Fanahy masina:ara-panahy, ara-nofo, ara-tsaina satria manana mpanolo-tsaina hendry izy. Araka ny Deoteronomia 28.1-2 dia mifamatotra amin’ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra sy fihainoana ny feon’ny Tompo ny mitondra ho amin’ny fitahiana . Taratry ny fiasan’ny Fanahy izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM