Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 05 Mey 2018
Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Romana 8.1-8
1 [Ny famonjen'i Kristy ny mino Azy, izay miantomboka amin'izao fiainana izao ary mbola hotanterahina ho mandrakizay] Ary amin'izany dia tsy misy fanamelohana ho an'izay ao amin'i Kristy Jesosy. 2 Fa ao amin'i Kristy Jesosy ny lalàn'ny Fanahin'aina no nahafaka ahy tamin'ny lalàn'ny fahotana sy ny fahafatesana. 3 Fa izay tsy hain'ny lalàna, satria ny nofo no nahalemy azy, dia vitan'Andriamanitra tamin'izy naniraka ny Zanany, naka ny endriky ny nofo ota sy ny amin'ny ota, ka nanameloka ny ota tao amin'ny nofo, 4 mba hahatanteraka ny fahamarinana ilain'ny lalàna amintsika, izay tsy mandeha araka ny nofo, fa araka ny Fanahy. 5 Fa izay araka ny nofo dia mihevitra izay zavatry ny nofo; fa izay araka ny Fanahy kosa mihevitra izay zavatry ny Fanahy. 6 Fa ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana; fa ny fihevitry ny Fanahy kosa fiainana, sy fiadanana 7 satria fandrafiana an'Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn'Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany. 8 Ary izay ao amin'ny nofo dia tsy mahay manao ny sitrapon'Andriamanitra.Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina
Romana 8.1-8
Ny mampiavaka ny fihevitry ny fanahy
sy ny fihevitry ny nofo
1-Ny fihevitry ny nofo dia fahafatesana (and 6a)
Mitanisa sy manazava izany manomboka eo amin’ny and faha-7 : « fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo ». Hafa mihitsy ny mahamaika sy mahadodona ny nofo : fahafinaretana , filan’ny maso , filan’ny sofina , rehaka momba izao fiainana izao . Ny mpino kristiana dia tsy maintsy mandray fanapahankevitra hanajanona tanteraka ny fanaon’izao tontolo izao . Mitondra ho amin’ny fahafatesana ny fihevitry ny nofo, satria misarika amin’ny fahotana izany ary fahafatesana no tambin’ny ota. Tsy maintsy mahafehy tena eo ambany fitarihan’ny Fanahy masina ny mpino mba handresena ny asan’ny nofo.
2-Ny fihevitry ny Fanahy dia fiainana sy fiadanana (and6b)
Hafa mihitsy ny fiainan’ny olona mizotra eo ambany fitarihan’ny Fanahy masina. Afaka amin’ireo geja sy fatotra maro samihafa: Ny fihevitry ny Fanahy dia manafaka amin’ny fanamelohana ho avy, manafaka amin’ny fahotana sy ny fahazaran-dratsy. Manafaka amin’ny vokatry ny fahotana dia ny fahafatesana . Olona afaka amin’ny fanaon’izao tontolo izao .
Fanontaniana :
Ampitahao ny Galatiana 5. 19-23 sy ny Romana 8.6. Inona no azo tsoahina avy amin’izany ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM