Maneke havaozin’ny Fanahy Masina

Mofonaina anio: Zoma, faha 04 Mey 2018

Maneke havaozin'ny Fanahy Masina

Jao 16 :12-14

Maneke havaozin’ny Fanahy Masina

“ Maneke hohavaozin’ny Fanahy Masina  araka ny fandaminany.”

Jao 16 :12-14

  Vavaka fandre matetika ny hoe: “Fanahy Masina ô, havaozy  ny Firenenay, na havaozy izahay, havaozy ny Fiangonanao, havaozy ny vadiko na ny zanako na ny olona toy izao …”, kanefa koa manontany tena indray avy eo hoe: ary toa tsy niova akory Izy izany kanefa efa mba nangatahina ny fanavaozan’ny Fanahy Masina? Mila fantarintsika anefa fa:

  1. Ny Fanahy Masina dia manavao amin’ny fotoana sahaza (and 12)

Mahavariana ny fampianarana nentin’i Jesoa eto, fa na dia efa nanodidina ny 3 taona aza no niarahany sy nampianarany ary nizarany traikefa tamin’ny mpianany, dia mahagaga fa mbola lazainy ihany fa “mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny” . Izany hoe misy marina tokony mbola holazain’ny Tompo Jesoa ao aoriana, fa tsy izao dia izao  izany no lazaina, fa rehefa tonga ny Fanahy Masina amin’ny fotoana sahaza dia zakantsika izany.Eo amin’ny fiainana dia tsy àry ho fantatra indray andro avokoa ny marina rehetra , fa mety aman-taonany, amam-polo taona aza vao mihamazava tsikelikely, fa mila matoky ny Tompo isika fa manana ny fotoana sahaza hanaovany izany izy. Inona koa ary no asan’ny Fanahy Masina?

  1. Ny Fanahy Masina dia mitarika amin’ny marina (and 13).

 Ao anatin’ny fandroritana  eo amin’ny lafiny politika dia samy milaza ho manana ny marina ny antoko politika rehetra. Fa raha ny voalaza eto kosa dia ny Fanahy Masina no hany mitarika ny olona ho amin’ny marina, raha ny olombelona amin’ny maha nofo aman-drà azy fotsiny tokoa mantsy dia tsy hahatakatra ny marina mihitsy, fa na izy fitahin’ny olona hafa, na izy fitahan’i Satana, tahaka izay nanjo an’i Eva, na koa mamita-tena. Fa rehefa ao kosa ny Fanahy Masina dia mahalala Ilay hany marina izy dia Jesoa Kristy. Misy fotoana feno fisalasalana isika amin’ny fanapahan-kevitra iray. Koa mangataha hatrany ny Fanahy Masina hitari-dàlana anao.

Fanontaniana:

Site web FOIBE FJKM