Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 03 Mey 2018
Maneke hohavaozin'ny Fanahy masina
Nomery 11,23 - 29
23 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Nihafohy va ny tànan'i Jehovah? ankehitriny dia ho hitanao na ho tanteraka aminao ny teniko, na tsia. 24 Dia nivoaka Mosesy ka nilaza ny tenin'i Jehovah tamin'ny olona; dia nanangona fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny firenena izy ka nampitoetra azy manodidina ny trano-lay. 25 Ary nidina teo amin'ny rahona Jehovah ka niteny taminy, dia nangalany ny Fanahy izay tao amin'i Mosesy ka napetrany tao amin'ny loholona fito-polo lahy; ary raha mbola nitoetra tao aminy ny Fanahy, dia naminany izy, nefa tsy nanao intsony. 26 Fa nisy roa lahy nijanona teo an-toby, Eldada no anaran'ny anankiray, ary Medada no anaran'ny anankiray; ary ny Fanahy nitoetra tao aminy; ary isan'izay voasoratra izy roa lahy, nefa tsy mba nankeo amin'ny trano-lay; dia naminany teo an-toby izy roa lahy. 27 Ary nisy zatovo nihazakazaka, dia nilaza tamin'i Mosesy ka nanao hoe: Eldada sy Medada maminany etsy an-toby. 28 Dia namaly Josoa, zanak'i Nona, izay nanompo an'i Mosesy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe: Ry Mosesy, tompoko, rarao izy roa lahy. 29 Fa hoy Mosesy taminy: Izaho va no ialonanao? enga anie ka ho mpaminany avokoa ny olon'i Jehovah rehetra, ka halatsak'i Jehovah aminy ny Fanahiny!Maneke hohavaozin’ny Fanahy masina
“ Havaozin’ny Fanahy Masina, izay olona voatendry.”
Nom 11 :23-29
Iza avy tokoa moa no azo havaozin’ny Fanahy Masina? Misafidy olona sy saranga ve izany sa misy masotsivana manokana ny fanavaozan’ny Fanahy Masina?
- Ny Fanahy Masina dia ampy ho an’ny olona rehetra (and 23-25)
Ny Fanahy Masina izay nomen’ny Tompo an’i Mosesy dia nozarainy tamin’ny loholona 70 lahy hafa koa satria sady mavesatra no masina ny asan’Andriamanitra , ka tsy azo fihinin’olona tokana irery. Fa ny mahagaga sy mahavariana eto ,tsy tahaka ny zavatra izay fahita andavanandro ohatra n’ny sakafo na rano, ka raha zaraina ho an’ny olona maro izany dia ny zara fa mahazo kely fotsiny avy, na koa ny iafarany dia tsy mahazo mihitsy ilay nanome voalohany. Tsy izany anefa no hita eto , fa afaka nozarain’ny Tompo ho an’ny olona rehetra ny Fanahy Masina. Koa isika olombelona koa, na dia efa 7 lavitrisa mahery aza no velona eto ambonin’ny tany ankehitriny, dia afaka izaran’ny Tompo izany Fanahy Masina izany avokoa.Fa ny rehetra tokoa ve no mandray ny Fanahy Masina?
- Ny Fanahy Masina dia tsy azo raràna (and 26-29).
Eto dia nisy roalahy, izay tokony ho tonga teo amin’ny trano-lay kanefa tsy hita tao.Tsy nahasakana ny Fanahy Masina tsy hiasa aminy anefa izany (and 26). I Josoa ,mpanompony indray no nilaza tamin’i Mosesy mba handrara izany.Mampahatsiahy ny fandrarana nataon’ireo mpianatry ny Tompo Jesoa izany rehefa nahita olona nandroaka devoly izy ireo.Ary tahaka ny navalin’i Jesoa no navalin’i Mosesy : »aza raràna ».Misy Fiangonana hafa ankoatran’ny Fiangonana efa mahazatra antsika iasan’ny Fanahy Masina , saingy toa azon’ny fakampanahy isika indraindray handrara azy ireny. Eto anefa dia miseho mibaribary fa azon’ny Fanahy Masina havaozina ny olona rehetra.
Fanontaniana:
Site web FOIBE FJKM