Maneke havaozin’ny Fanahy Masina.
Mofonaina anio: Talata, faha 01 Mey 2018
Maneke havaozin’ny Fanahy Masina.
Isaia 44,1 - 5
1 Fa ankehitriny dia mihainoa, ry Jakoba, mpanompoko, sy ry Isiraely, izay nofidiko; 2 Izao no lazain'i Jehovah Izay nahary anao sy namorona anao hatrany am-bohoka sady mamonjy anao: Aza matahotra, ry Jakoba mpanompoko, Ary ianao, ry Jesorona*, izay nofidiko; [Jesorona dia anaran'ny Isiraely] 3 Fa handatsaka rano amin'izay mangetaheta Aho, ary riaka ho amin'izay tany karankaina; Eny, handatsaka ny Fanahiko amin'ny taranakao Aho, ary ny fitahiako ho amin'ny terakao; 4 Dia haniry eny amin'ny ahitra tahaka ny hazomalahelo eny anilan'ny rano mandeha ireny. 5 Ny anankiray hilaza hoe: An'i Jehovah aho: Ary ny anankiray koa hankalaza ny anarana hoe Jakoba; Ary ny anankiray koa indray hanoratra amin*'ny tànany hoe: An'i Jehovah, Ary ny anarana hoe Isiraely dia hotononiny amim-panajana.[Na: eo amin']Maneke havaozin’ny Fanahy Masina.
Isa 44 :1-5
1. Mihaino ny sitrapon’ny Tompo
Hitantsika izany eo amin’ny andininy 1:”Mihainoa ry Jakoba mpanompoko”. Ahoana tokoa moa no hanavahana na avy amin’ny Fanahy Masina izany miantso fanavaozana izany ,na sanatria hevitra sy fikasan’olombelona fotsiny ihany? Izay indrindra no maha zava-dehibe ny mihaino ny sitrapon’Andriamanitra aloha amin’ny fihainoana ny Baiboly sy ny Toriteny,ary ireo fampianarana maro samihafa, ahafahantsika mahalala ny sitrapon’ny Tompo. Ary na i Jesoa Kristy aza nialoha ny hampianarany dia nihaino ireo mpampianatra maro tao amin’nyTempoly tao Jerosalema. (Lio :46 ). Fa tsy ampy ny mihaino ny Tompo fotsiny , fa isika koa dia mila:
2. Manaiky hiasan’ny Fanahy Masina
Araka izay voalaza, eto amin’ny andininy faha 3 dia “Eny, handatsaka ny Fanahiko amin’ny taranakao Aho”; na dia mihaino fotsiny ny sitrapon’ny Tompo ny olona iray kanefa tsy manaiky hiasan’ny Fanahy Masina dia zava-poana ihany izany. Ny Fanahy Masina irery ihany tokoa no hany Mpampianatra tsy mety diso, sady mampiaiky ny olona ny fahotany, ka
rehefa manaiky hiasan’ny Fanahy Masina ny olona dia hainy sy fantany ny tokony hatao, fa tsy ny fisainany sy ny sitrapony amin’ny maha olona intsony no mibaiko sy mitarika azy.
Fanontaniana:
Irinao ve ny hohavaozin’ny Fanahy Masina ? Ataovy vavaka izany izao.
Site web FOIBE FJKM