Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 30 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
1 Timoty 2.1-4
1 [Ny amin'ny fivavahana ho an'ny olona rehetra, ary ny fitondran-tena sy ny fitafiana miendrika ny vehivavy Kristiana] Koa mananatra voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana, fivavahana, fifonana, fisaorana, ho an'ny olona rehetra, 2 ho an'ny mpanjaka mbamin'izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy ny fahamaotinana rehetra. 3 Izany no tsara ka ankasitrahana eo imason'Andriamanitra, Mpamonjy antsika, 4 Izay tia ny olona rehetra hovonjena ka ho tonga amin'ny fahalalana ny marina.Manolotra ny fiainany ny Tompo
1 Timoty 2.1-4
« Koa mananatra anareo voalohany indrindra aho mba hatao izay fangatahana , fivavahana , fifonana, fisaorana ho an’ny olona rehetra, ho an’ny mpanjaka mbamin’izay rehetra manana fahefana, mba hiainantsika miadana sy mandry fahizay amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaontinana rehetra » 1 Tim 2.1
MIVAVAHA!MIVAVAHA!
Mitaona antsika mba hivavaka ny Tenin’ Andriamanitra anio , manoloana ny toejavatra ianantsika sy andalovan’ny firenentsika . Koa :
1-Mivavaha ho an’ny olona rehetra
Ho an’ ny mpino kristiana toa anao, na ny samy hafa finoana aminao na ny tsy mpino an’ Andriamanitra mihitsy, na ireo tsara fihavanana aminao na ireo izay manenjika sy mankahala anao. Ny sokajin’olona izay tsy ampidirintsika amin’ny tonombavaka ataontsika dia mety hiteraka olana sy hitondra fanakorontanana eo amin’ny fiaraha-monina misy antsika .
2-Mivavaha ho an’ny mpanjaka sy ny manam-pahefana
Izany dia manomboka amin’ny filoham-pokontany, ny mpitsabo, ny mpampianatra, mpitsara sy mpamoaka ny didy … .Samy mampihatra ny fahefana amin’ny andraikitra ananany avy ireny ka ibaikon’ny Soratra masina mba ho entina am-bavaka .Tsarovy fa ny valimbavaka atolotr’ Andriamanitra dia mety tsy ho takatry ny saintsika, fa ny anjarantsika dia ny mankato izay asain’ny Tenin’ Andriamanitra ataontsika .
3-Ny tanjon’ny fivavahana eto :
Mba hananantsika fiadanana, lavitry ny tebiteby sy ny ahiahy, mba ho mandry fahalemana isika , amin’ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra sy ny fahamaontinana . Andriamanitra dia afaka miasa sy miditra an-tsehatra amin’ny toe-javatra misy rehetra. Ny vokatra voalohan’ny vavaka ataontsika dia tena soa ho antsika , ho an’ny fiainantsika manokana sy ny toe-panahintsika. Tsarovy fa Andriamanitra dia manomana zavatra lehibe tsy takatry ny saintsika ho valin’ny vavaka ataontsika .
Fanontaniana :
Site Web FOIBE fJKM