Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 29 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Matio 20.20-28
20 Ary tamin'izany dia nanatona an'i Jesosy ny renin'ny zanak'i Zebedio mbamin'ny zananilahy, dia niankohoka ka nangataka zavatra taminy. 21 Ary hoy Izy taminy: Inona no irinao? Dia hoy ravehivavy taminy: Mandidia mba hipetrahan'ireto zanako roa lahy ireto, ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, ao amin'ny fanjakanao. 22 Fa Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy fantatrareo izay angatahinareo; hainareo va ny misotro amin'ny kapoaka izay efa hisotroako? Hoy izy roa lahy taminy: Hainay ihany. 23 Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin'ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran'ny Raiko izany no homena. 24 Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra noho ny nataon'izy mirahalahy. 25 Fa Jesosy niantso azy hankeo aminy ka nanao hoe: Fantatrareo fa ny andrianan'ny jentilisa mampanompo azy tokoa, ary ny lehibeny manapaka azy fatratra. 26 Fa tsy mba ho toy izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo dia ho mpanompo anareo; 27 ary izay te-ho ambony indrindra aminareo dia ho mpanomponareo. 28 Fa tahaka izany, ny Zanak'olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy ho avotra hisolo ny maro.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Matio 20.20-28
« Tsy fantatrareo zay angatahanareo
Ny mifanohitra amin’ny fampianaran’ny Tompo
1-Ny Fitiavan-tena (and21)
Fahafaham-baraka tsy nisy toy izany no nahazo azy telo mianaka dia i Jakoba sy i Jaona niaraka tamin-dreniny. Mba nangataka sy mba nanontanian’ny Tompo hoe: « inona no irinao? ihany , saingy zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ny Tompo no nangatahiny. Fitiavantena tsotra izao no nokasain’izy ireo hiraisana tsikombakomba tamin’ny Tompo. Lanin’i Jesoa marindrano izany , satria natao ho an’ny rehetra ny fanjakan’ Andriamanitra . Koa aoka isika handinika tsara sy hamantatra ny sitrapon’ Andriamanitra vao mangataka zavatra amin’ny Tompo .
2-Ny filam-boninahitra(and26-28)
Nahitsin’i Jesoa niaraka ny mpianatra 12 lahy , ana ireo izay nitady tombom-pitiavana manokana mihoatra noho ny hafa , na ireo izay tezitra sy be fihaonana tamin’izany . Fomban’ny jentilisa ny mitady voninahitra toy izany . Amin’ny fanompoana an’ Andriamanitra dia tsy maintsy ny fietrena no mialoha ny fisandratana ary izay mitady ny toerana ambony dia tsy maintsy maka ny toeran’ny mpanompo . »Ny zanak’olona tsy tonga mba hotompoina fa mba hanompo ka hanolotra ny ainy « . Ary izany fanetrentena lalina izany no nanandratan’ Andriamanitra Azy indrindra (Fil 2.9)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM