Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 28 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Genesisy 2.4-9
4 [Ny saha tao Edena, sy ny toetry ny olombelona fony tsy mbola nanota izy] Ary izao no tantaran'ny lanitra sy ny tany tamin'ny namoronana azy, dia tamin'ny nanaovan'i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra: 5 Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin'ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin'ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany; 6 nefa nisy zavona niakatra avy tamin'ny tany ka nandena ny tany rehetra. 7 Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy. 8 Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny. 9 Ary nampanirin'i Jehovah Andriamanitra teo amin'ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon'aina teo afovoan'ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Genesisy 2.4-9
1-Ny olombelona
« Ary vovotany no namoronan’i Jehovah Andriamanitra ny olona ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony, dia tonga olombelona izy« and7
Nanomboka niditra eo amin’ny tantaran’izao tontolo izao ny olombelona. Notanterahin’ Andriamanitra tao amin’ny olombelona ny fanambarany ny hamoronany endrik’Andriamanitra tahaka ny endriny (1.27). Andriamanitra manome ny fiainany ho an’ny olona hatrany am-boalohany Izy. Vovoka no namoronany ny olombelona. Koa tsy ao amin’ny vatany no mitoetra ny maha-izy azy ny olombelona, fa ao amin’ny hatsaram-piainany avy amin’ny fanahiny . « Ny fanahy no maha- olona « , hoy ny fitenenana.
2-Ny saha Edena
Tao amin’ny saha Edena no napetrak’ Andriamanitra i « Adama voalohan-dahy » (1Kor 15.45a. Saha mahafinaritra ampy sy tanteraka nohariany ho an’ilay mitovy endrika Aminy io. Andriamanitra tia sy mikarakara Izy, ka tsy manao soa tapany .Nanana zo nisitraka izany ny olombelona,afa-tsy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy(and16-17). Efa nomanin’ Andriamanitra ho an’ny olona hatramin’ny voalohany ny fiainana mandrakizay , fa ny olona no nisafidy ny fahafatesana tamin’ny anandramany ilay hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy . Ampitahao Deo 30.19.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM