Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 25 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Marka 10.28-31
28 Ary hoy Petera taminy: Indro, izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao. 29 Hoy Jesosy: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy misy olona efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na reny, na ray, na zanaka, na tany, noho ny amiko sy ny filazantsara, 30 ka tsy handray zato heny amin'izao andro ankehitriny izao-dia trano sy rahalahy sy anabavy sy reny sy zanaka sy tany mbamin'ny fanenjehana-ary amin'ny andro ho avy dia fiainana mandrakizay. 31 Nefa maro izay voalohany no ho farany, ary izay farany no ho voalohany.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Marka 10.28-31
Ny tombotsoan’ny fanolorantena
ho an’ny Tompo sy ny Filazantsara
1-Tombotsoa amin’izao andro ankehitriny izao
Ambaran’ny and 29-30 fa fiombonam-piainana vaovao ao anatin’ny fiainam-piankohonana vaovao , mihoatra lavitra (avy zato heny ) noho ny teo aloha no raisin’ny mpino izay mahafoy noho ny amin’i Kristy sy ny Filazantsara . Tsy manam-panahiana fa tsy maintsy honeran’ Andriamanitra izay rehetra nafoy . Manjary miaina fiainana tsara lavitra sy ambony lavitra mihoatra ny teo aloha . Ambonin’izany aza dia ambara fa mbola hisitraka fanenjehana , izay mariky ny fiainan’ny mpanara-dia an’i Kristy ny mpino .
2-Tombotsoa amin’ny andro ho avy
Misokatra midanadana ho an’izay nampandefitra ny fanjakana mety lo tety an-tany , noho ny amin’ny Tompo sy ny Filazantsara , ny varavaran’ny fiainana mandrakizay . Fiainana miavaka , tsy azo ampitahaina amin’ny haren’izao tontolo izao sy izay rehetra momba azy izany . Fiainana tsy misy nenina , tsy mahafaty antoka, fa tsara tantana sy ampy mizara ho an’ny mpino rehetra , araka ny fanoharan’i Jesoa ao amin’ny Matio 19.30-20,16 . Kendreo mba hibanjina ny fiainana mandrakizay ny fahafoizantena ataontsika .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM