Manolotra ny fiainany ny  Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 23 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny  Tompo

Levitikosy 4.13-21
13 Ary raha ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, kosa no manota tsy nahy, fa misy tsy hitan'ny mason'ny fiangonana, ary mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah amin'izay tsy tokony hatao izy ka meloka, 14 rehefa fantatra ny ota izay nataony, dia hanatitra vantotr'ombilahy ny fiangonana ho fanatitra noho ny ota ka hitondra azy ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana. 15 Ary ny loholon'ny fiangonana hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy eo anatrehan'i Jehovah; ary ny vantotr'ombilahy dia hovonoina eo anatrehan'i Jehovah. 16 Ary hangalan'ny mpisorona voahosotra ny ran'ny vantotr'ombilahy ka ho entiny ho ao amin'ny trano-lay fihaonana, 17 ary ny mpisorona hanoboka ny fanondrony amin'ny rà, ka hafafiny impito eo anatrehan'i Jehovah, dia eo anoloan'ny efitra lamba. 18 Ary hangalany koa ny rà ka hatentiny eo amin'ny tandroky ny alitara izay eo anatrehan'i Jehovah, dia ilay ao anatin'ny trano-lay fihaonana, ary ny rà sisa rehetra dia haidiny eo ambodin'ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana, izay eo am-baravaran'ny trano-lay fihaonana. 19 Dia hanaisotra ny saborany rehetra izy ka handoro azy ho fofona eo ambonin'ny alitara. 20 Ary ny vantotr'ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin'ny vantotr'ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an'ny olona, dia havela ny helony. 21 Ary ny vantotr'ombilahy dia havoakany ho eny ivelan'ny toby ka hodorany tahaka ny efa nandoroany ny vantotr'ombilahy voalohany; dia fanatitra noho ny ota ho an'ny fiangonana izany.

Manolotra ny fiainany ny  Tompo

Levitikosy 4.13-21

Ny ahazoana famelankeloka

1-Fanatitra alatsa-drà

Noho  ny  fahotana  dia tapaka ny  fifandraisana amin’ Andriamanitra . NY ran’ny  vantotr’ombilahy no mila alatsaka  hamerenana indray  izany  . Eo  anoloan’ny  tranolay  fihaonana  ao anatiny  sy  eo  am-baravarany (and16-18) no atete izany. Izany  hoe: eo anelanelan’ny  toerana masina indrindra misy an’ Andriamanitra sy ny toerana masina fanompoan’ny  mpisorona. Ny  ran’i Jesoa Kristy  latsaka teo ambony hazo fijaliana , dia ampy  sy feno  hisolo  ny karazan’ny otan’ny  zanak’olombelona   rehetra . Fanatitra  tokana sy  tanteraka  io , ka azo  antoka indrindra .

2-Fanatitra mahafaka ota

Ny  ambin’ny « vantotr’ombilahy rehetra kosa dia havoakany ho eny  ivelan’ny  toby ka hodorany »(and21a). Manambara  izany  fa tsy  manana toerana eo  anivon’ny  vahoakan’ Andriamanitra intsony ny fahotana . Manamarina izany  ny ambaran’i Paoly Apostoly hoe: »Koa raha misy  olona ao  amin’i Kristy  dia olom-baovao izy« (2 Kor 5.17). Azo antoka sy  tonga lafatra  ny  famelan-keloka rehefa  ao  amin’i Jesoa Kristy . Azo antoka sy tonga lafatra ny famelankeloka  rehefa ao amin’i Jesoa Kristy. Anjarantsika mpino  ny mamoaka ivelan’ny fiainantsika izay rehetra  endrika pentipentin’ny ota ka maharatsy na mahatapaka mihitsy  ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM