Manolotra ny fiainany ny Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 21 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Jaona 15.9-16
9 Tahaka ny nitiavan'ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin'ny fitiavako ianareo. 10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin'ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin'ny Raiko sy ny itoerako amin'ny fitiavany. 11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo. 12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo. 13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. 14 Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo. 15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon'ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin'ny Raiko no nambarako taminareo. 16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan'ny vokatrareo, mba homen'ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin'ny anarako na inona na inona.

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Jaona 15.9-16

Mitoetra amin’ny fitiavana

1-Ao  amin’i Jesoa 

Efa tia antsika Andriamanitra , ka nanolotra  ny  zavatra rehetra . Fitiavana voalohany sy faratampony ny Azy, ka  tonga  hatramin’ny fanolorany ny ainy  mihitsy aza, « tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao , dia ny  manolotra ny ainy  hamonjy ny sakaizany « (and 13). Notanterahin’i Jesoa izany  ka tonga  fahafahana miezinezina , nanafaka antsika  tamin’ny fanandevozan’ny ota sy  ny fahafatesana. Io  fitiavan’i Jesoa io no fenitra  fara-tampon’ny azon’ny  mino  rehetra  alaina tahaka.

2-Amin’ny didiny 

Fiainana ny fifankatiavana no didiny. Tsy hoe: fepetran’ny fitiavan’ Andriamanitra antsika akory  no hilazany hoe: »ianareo  no sakaizako  raha manao  araka izay  andidiako, anareo »and14, fa tena  tombom-pitia omen’ Andriamanitra ny  mpino. Efa tia Izy ary tia  tsy  misy  fepetra . Koa tiany isika hiaina amin’ny fitiavana tahaka Azy. Tsy fitiavana baikon’ny rafitra  toy ny Tompo sy mpanompo ,  fa izay  iasan’ny fahasoavana  toy ny mpisakaiza. Rehefa izany , dia ny fiainany manontolo  mihitsy no atolony ho antsika .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM