Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 20 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Matio 7.7-14
7 Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita ianareo; dondony, dia hovohana ianareo. 8 Fa izay rehetra mangataka no mahazo; ary izay mitady no mahita; ary izay mandondòna no hovohana. 9 Ary iza moa aminareo, raha angatahan'ny zanany mofo, no hanome azy vato? 10 ary raha angatahany hazandrano, no hanome azy menarana? 11 Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo Izay any an-danitra no hanome zava-tsoa ho an'izay mangataka aminy? 12 Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany. 13 Midira amin'ny vavahady èty ianareo; fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana izay mankany amin'ny fahaverezana, ka maro ny miditra any. 14 Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin'ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Matio 7.7-14
« Koa amin’izany ,na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo , dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany, fa izany no lalàna sy mpaminany « and12
Ny fampiharana ny Tenin’ Andriamanitra
1-Fiheverana ny hafa
Ny fiainantsika olombelona dia mifantoka amin’ny fikatsahana izay mahasoa sy izay ilaina andavanandro. Amin’izany dia izay ho an’ny tenantsika no tena mibahana ao an-tsaintsika, ka miteraka fanilihana ny hafa sy fitiavan-tena . Ny Tenin’ Andriamanitra anefa mitaona antsika ho tia ny hafa. Mba hahatanterahantsika ny fitiavana no anton’ny teny hoe: »na inona na inona tianareo hataon’ny olona aminareo , dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany ».
2-Fikatsahana ny fanjakan’ny lanitra (and7-9/13-14)
Izay mangataka, mitady, mandondona dia hovaliana araka izany. Ny olana anefa dia izay mitondra ho any amin’ny fahaverezana no tena ihazakazahan’ny maro angatahana sy tadiavina ary dondoniny fatratra . Fa ny Tenin’ Andriamanitra dia mitaona antsika hikatsaka ny lalana ety mankany amin’ny fiainana, izay vitsy no mahita azy. Meteza ho isan’ izay mandany andro mandinika sy miaina ny Tenin’ Andriamanitra handovana fiainana .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM