Manolotra ny fiainany ny Tompo

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 19 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Kolosiana 3.1-11
1 [Ny tokony hanariana ny asan'ny nofo sy ny hitondran-tena miendrika ny filazantsara] Koa raha niara-natsangana tamin'i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin'ny itoeran'i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan'Andriamanitra. 2 Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra et? an-tany. 3 Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra. 4 Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra ianareo. 5 Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay et? an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany; 6 fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsi-fanarahana; 7 izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo. 8 Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin'ny vavanareo. 9 Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra* taloha mbamin'ny asany; [* Gr. olona] 10 ary efa notafinareo ny toetra* vaovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana tsara araka ny endrik'izay nahary azy. [* Gr. olona] 11 Fa amin'izany dia tsy misy jentilisa* sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin'ny rehetra. [* Gr. Grika]

Manolotra ny fiainany ny Tompo

Kolosiana 3.1-11

Ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny  maty dia:

1-Manangana  antsika  ho afaka  hibanjina  ny  fiainan-danitra (and1-4)

« Koa raha  niara-natsangana tamin’i Kristy ianareo , dia  katsaho …saino ny zavatra  any ambony, fa tsy ny zavatra ety an-tany« . Ny fitsanganan’i Kristy  dia midika fahavelomana hizotra any amin’ny fiainana  mandrakizay . Midika izany  fa efa  misokatra midanadana ny varavarana hidirantsika any raha manaraka ny  dian’i Jesoa Kristy  isika. Izany  hoe: manaiky hiara-mitsangana Aminy  koa. Amin’ny zavatra rehetra  atao na eo  anivon’ny  fanompoana , na amin’ny fiainana andavanandro dia samia manao  tanjona ny fiainana mandrakizay tsy hahafaty antoka antsika.

2-Manavao sy manafaka amin’ny toetra sy fiainan-dratsy rehetra teo aloha(and5-11)

Ny faharatsiana rehetra dia tsy maintsy ahintsana avokoa tahaka ny ravina maina efa ratsy sy malazo ka soloina vaovao, fa tsy mahazo miditra any amin’ny fiainana mandrakizay. Afaka isika,satria efa nomena ny Fanahin’ny fandresena izay ao amin’iKristy, ka havaozin’ny Fanahy masina  ho tonga olom-baovao. Mila ampifanarahina amin’ny tanjona  te-ho any an-danitra ny zavatra atao dia ny  fomba sy fanao, ny  fiteny ary ny fihetsika.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM