Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alahady, faha 15 Aprily 2018

Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 

Asan'ny Apostoly  11.1-18
1 [Ny namalian'i Petera ny olona izay nanome tsiny azy] Ary ny Apostoly sy ny rahalahy izay tany Jodia dia nahare fa ny jentilisa koa efa nandray ny tenin'Andriamanitra. 2 Ary nony tafakatra tany Jerosalema Petera, dia nila ady taminy ny mino izay isan'ny voafora 3 ka nanao hoe: Efa niantrano tany amin'ny olona tsy voafora ianao sady niara-nihinana taminy. 4 Ary Petera dia nitantara izany taminy hatramin'ny niandohany ka nanao hoe: 5 Tany an-tanàna Jopa aho ka nivavaka, ary azon-tsindrimandry aho, dia nahita fahitana, ka, indro, nisy zavatra nidina avy tany an-danitra toa lamba lehibe nampidinina tamin'ny zorony efatra, dia nankeo amiko izany; 6 ary raha nijery sy nandinika azy aho, dia hitako ny biby et? an-tany, izay manan-tongotra efatra, sy ny bibi-dia sy ny zava-mandady sy mikisaka ary ny voro-manidina koa. 7 Ary nandre feo koa aho nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry Petera, vonoy, ka hano. 8 Fa hoy izaho: Sanatria, Tompoko! fa tsy mbola niditra tamin'ny vavako izay zava-padina na tsy madio. 9 Ary nisy feo avy tany an-danitra namaly fanindroany hoe: Izay efa nodiovin'Andriamanitra aza ataonao ho fady. 10 Ary intelo no nanaovana izany, dia nosarihana niakatra tany an-danitra indray izany rehetra izany. 11 Ary tamin'izay dia, Indreo, nisy telo lahy nijanona teo anoloan'ny trano nitoeranay, izay iraka avy tany Kaisaria hankeo amiko. 12 Dia nasain'ny Fanahy hiaraka tamin'ireo aho ka tsy hizaha tavan'olona na dia kely akory aza. Ary niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto, ka niditra tao an-tranon-dralehilahy izahay. 13 Ary nambarany taminay ny nahitany ny anjely nitsangana tao an-tranony ka nanao hoe: Maniraha ho any Jopa, ka ampanalao Simona, izay atao hoe koa Petera; 14 izy hilaza teny aminao, izay hamonjena anao sy ny ankohonanao rehetra. 15 Ary raha vao niteny aho, dia nilatsaka taminy ny Fanahy Masina tahaka ny tamintsika fahiny. 16 Dia nahatsiaro ny tenin'ny Tompo aho, izay nolazainy hoe: Jaona nanao batisa tamin'ny rano, fa ianareo kosa dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina. 17 Koa raha mba homen'Andriamanitra azy ny fanomezana, tahaka antsika fony isika vao nino an'i Jesosy Kristy Tompo dia iza moa aho no hahasakana an'Andriamanitra? 18 Ary rehefa nandre izany ireo, dia nangina sady nankalaza an'Andriamanitra ka nanao hoe: Efa nomen'Andriamanitra ny jentilisa koa ny fibebahana hahazoany fiainana.
Manolotra ny fiainany  ny  Tompo 
Asan’ny Apostoly  11.1-18

Efa nomen’ Andriamanitra  ny jentilisa koa ny fibebahana  hahazoany fiainana » (a

18a)

1-Ho an’ny   olona rehetra

Tamin’ny  fahitana no nanehoan’ Andriamanitra tamin’i Petera  fa  tsy  ho an’ny Jiosy  irery  ny  famonjena  notanterahiny   tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy  (and1-10) . Nanaiky  izany  i  Petera  ka nandeha nitory  tamin’ny jentilisa  na dia voararan’ny lalàna  Jiosy  aza izany  . Tsy  manavaka  Andriamanitra . Ny  olona  rehetra  no tiany  hovonjena sy  tolorana  fiainana  amin’ny alalan’i Jesoa  Kristy . Niatomboka  teo  amin’ireo Jiosy  nino  Azy  izany  ary   mipaka  aty  amintsika  ihany koa( and18).

2-Amin’ny alalan’ny  fibebahana 

Ny  fibebahana  no handraisana  ny fiainana atolotr’i Jesoa  . Na iza na iza  no tonga  amin’ny  fibebahana marina  dia mandray  fiainana avy  Aminy  . Ny  fenekena  an’i Jesoa   ho  Tompo  sy Mpamonjy   no midika  ho fibebahana  ho an’ny Jentilisa . Ny  fiverenana amin’ Andriamanitra  kosa no  hevitr’ izany  ho  an’ny  efa mino   kanefa  zary  nanalavitra  Azy  noho ny  fahotana .Izay  mino  ny  fanambaran’ Andriamanitra  ny amin’ny maha- Mpamonjy  an’i Jesoa  ka  mandray  ny Fanahy  masina  no handray  fiainana mandrakizay  avy Aminy  (and13-18).

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM