Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 14 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Salamo 145.15-21
15 Ny mason'izao rehetra izao miandrandra Anao, Ary Hianao manome azy ny haniny amin'ny fotoany. 16 Manokatra ny tananao Hianao Ka mahavoky soa ny zava-miaina rehetra. 17 Marina Jehovah amin'ny lalany rehetra, Sady mamindra fo amin'ny asany rehetra. 18 Jehovah dia eo akaikin'izay rehetra miantso Azy, Dia izay rehetra miantso Azy marina tokoa. 19 Hanefa ny irin'izay matahotra Azy Izy Ary hihaino ny fitarainany ka hamonjy azy. 20 Miaro izay rehetra tia Azy Jehovah; Fa ny ratsy fanahy rehetra kosa haringany. 21 Ny fiderana an'i Jehovah no hotenenin'ny vavako; Ary aoka ny nofo rehetra hankalaza ny anarany masina mandrakizay doria.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Salamo 145.15-21
Mendrika ny hankalazaina ny Tompo
Tononkira fiderana nataon’i Davida no fanandratana sy fankalazana an’ Andriamanitra ity Salamo 145 ity . Ny fitondran’ Andriamanitra izao tontolo izao sy ny asany dia tena mahagaga tokoa . Mpanjaka lehibe manam-pahendrena sy manam-pitiavana ny olony sy ny voahariny manontolo Andriamanitra ka mendrika ny hankalazaina satria :
-Izy no antenain’izao rehetra izao (and15a) . Tsy misy azo andrandraina hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao afa-tsy Andriamanitra irery ihany . (Jao 3.16)
-Izy no mamelona ny manananaina rehetra (and15b-16). Toy ny Ray mamelona ny ankohonany Andriamanitra ka manolotra izay hanina mahavelona azy isanandro sy ara-potoana , fahatanterahan’ny vavaka nampianarin’ny Tompo izany .
-Mamindra fo amin’ny voahariny rehera Izy (and17). Fitiavana lehibe ihany koa no azo ilazana izany famindrampon’ Andriamanitra zany (Jer 31.3)
-Akaikin’izay miantso Azy Izy (and18). Tsy lavitra fa akaiky mandrakariva ny Tompo ka mihaino ny fitarainan’ izay matoky Azy Izy (and 19) .
-Mamaly ny olona araka ny asany Izy (and20). Mahazo fiarovana avy Aminy izay matahotra Azy . Fandringanana kosa no miandry ny ratsy fanahy .
Fanontaniana: