Manolotra ny fiainany ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 13 Aprily 2018
Manolotra ny fiainany ny Tompo
Romana 5.15-21
15 Nefa tsy tahaka ny fahadisoana ny fanomezam-pahasoavana. Fa raha ny fahadisoan'ny anankiray no nahatonga fahafatesana ho an'ny maro, mainka ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny fanomezana amin'ny fahasoavan'ny olona iray, dia Jesosy Kristy, no tonga be ho an'ny maro kosa. 16 Ary tsy tahaka ny avy amin'ny anankiray izay nanota ny fanomezana; fa noho ny nataon'ny anankiray no nisehoan'ny fitsarana ho fanamelohana, fa noho ny fahadisoana maro kosa no nisehoan'ny fanomezam-pahasoavana ho fanamarinana. 17 Fa raha ny fahadisoan'ny olona anankiray no nanjakan'ny fahafatesana noho ny nataon'ny anankiray, mainka izay mahazo ny haben'ny fahasoavana sy ny fanomezan'ny fahamarinana no hanjaka amin'ny fiainana noho ny nataon'ny Anankiray, dia Jesosy Kristy. 18 Koa tahaka ny nahatongavan'ny fanamelohana ho an'ny olona rehetra noho ny fahadisoana iray no nahatongavan'ny fanamarinana ho amin'ny fiainana kosa ho an'ny olona rehetra noho ny fahamarinana iray. 19 Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan'ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan'ny Anankiray. 20 Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra, 21 mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.Manolotra ny fiainany ny Tompo
Romana 5.15-21
Kristy fiainana sy fahamarinana
Asehon’i Paoly Apostoly eto ny fifanoherana misy eo amin’izay nataon’i Adama sy i Jesoa .
Adama no ilay voalohany tamin’ny olombelona koa rehefa nanota izy dia nahatratra ny olombelona rehetra tahaka azy ny fahafatesana tambin’ny ota. Ny tsy fankatoavana ny Tenin’ Andriamanitra no otan’i Adama izay tandindon’ny tsy fankatoavantsika ihany koa . Tsy mba toy izany i Jesoa izay tsy mba nanota fa nanaiky ho sorona noho ny fankatoavany ny sitrapon’ny Ray . I Adama dia nitondra fitsarana sy fanamelohana ary fahafatesana . I Jesoa kosa dia nitondra fanamarinana sy fanafahana ary fiainana .
Raha fahafatesana no nolovaintsika avy tamin’i Adama dia fiainana kosa no setrin’izany noho ny fanoloran’i Jesoa ny tenany ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana . Io ilay fahasoavan’ Andriamanitra nomena antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy (and20).
Ny fahasoavana araka an’i Paoly dia ny nanamarina antsika maimaimpoana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy miaraka amin’ny tombotsoa rehetra aterak’izany . Ny fahasoavan’ Andriamanitra àry dia
-Ampy sy mahatratra ny maro (and15).
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM