Manolotra  ny  fiainany  ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 12 Aprily 2018

Manolotra  ny  fiainany  ny  Tompo 

2 Korintiana  4.12-18
12 Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. 13 Ary satria manana izany fanahin'ny finoana izany indrindra izahay, araka ny voasoratra hoe: Nino aho, ka dia niteny (Sal. 116. 10), dia mino koa izahay ka miteny; 14 fa fantatray fa Izay nanangana an'i Jesosy Tompo no hanangana anay koa miaraka aminareo. 15 Fa ny zavatra rehetra dia natao noho ny aminareo, mba hitomboan'ny fisaorana ho voninahitr'Andriamanitra noho ny fitombon'ny fahasoavana amin'ny maro. 16 Ary tsy ketraka izahay; fa na dia mihalevona aza ny toetray ivelany, dia havaozina isan'andro isan'andro kosa ny toetray* anatiny.[*Ny olonay] 17 Fa ny fahorianay maivana, izay vetivety foana, dia mainka miasa fatratra indrindra ka mahatanteraka voninahitra mavesatra maharitra mandrakariva ho anay, 18 raha tsy mijery ny hita izahay, fa ny tsy hita; fa ny hita dia ho vetivety foana, fa ny tsy hita no haharitra mandrakizay.

Manolotra  ny  fiainany  ny  Tompo 

2 Korintiana  4.12-18

Ny  fiaretan’ny  mpitory ny Filazantsara 

Niaritra  zavatra  maro  tokoa  i Paoly  tamin’ny  maha-  mpitory  ny  Filazantsara  Azy  satria ny  fiaretan’ny  mpitory  ny Filazantsara  tahaka   azy  dia:

1-Mitondra fiainana  ho an’ny fiangonana (and12)

Raisin’i Paoly  ho toy  ny fahafatesana mihatra  aminy  isanandro  ireo  endri-javatra  maro samihafa  tsy  maintsy  iaretana  noho  ny amin’ny Tompo  sy ny fiangonany  . Tsy maintsy  iaretana  avokoa   ireny  mba hahafahan’ny  fiangonana  miaina  ny   fahasoavan’ Andriamanitra  ao  amin’i Kristy  . Tahaka an’i  Kristy  nanaiky  hiaritra  fijaliana  dia miaritra  izany   koa   ny  mpitory  ny Filazantsara  mba hahazoan’ny hafa  fiainana ao  amin’ny  Tompo

2-Mampitombo  ny fisaorana  an’ Andriamanitra 

Ny  mpitory  ny Filazantsara  dia manao  ny  zavatra  rehetra mba hitomboan’ny fahasoavan’ Andriamanitra eo  amin’ny fiainan’ny  mino . Izany  fitomboan’ny fon’ny  mpino  hisaotra  sy hanome voninahitra  an’ Andriamanitra  mandrakariva  eo amin’ny fiainany  (and15) ka  mahatonga  risipo  sy fahavitrihana ho an’ny  mpitory  ny Filazantsara  na dia eo  aza ireo  fahoriana samihafa  mianjady  aminy . Andriamanitra  no manavao isanandro  ny  toe-po  sy ny toe-panahiny  (and16-18).

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM